Fampianarana

Minisitry ny fanabeazam-pirenena Nanondrana tao anaty tambajotran-tserasera…


  • Talata 28 Aprily 2020

Miverina fampianarana ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana. Noho izany, dia nisy ny fitsidihana nataon’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Andriamanana Rijasoa Josoa tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo,

 

 

ka nakany sary (selfie) niaraka tamin’ireo mpianatra sy mpanabe tao amin’ny Lycée Rabemananjara. Navoaka tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook. Nisy nanao fanamarihana samihafa ka tao ny nidoka sy nidera ny ezaka ataon’ny minisitra. Tao ihany koa ny fanamarihana fa tsy voahaja ny elanelana iray metatra raha ny hita amin’ny sary, ka nisy ohatra ny nametra-panontaniana hoe: inona no ilana ilay 1 metatra rehefa ao am-pianarana kanefa tsy hajaina rehefa manao selfie? Tsotra ny valin-tenin-dRamatoa minisitra: “rehefa tsy manao selfie” no ilàna azy. Ny fanjakana, ny mpitondra firenena, ny mpikamban’ny governemanta, dia saika isan’andro no manao fanentanana amin’ny fanajana ireo fepetra maro ka isan’izany ny fanajana ilay elanelana. Miainga avy any ambony anefa ny ohatra ratsy, valinteny boraingina no havalin’ny tompon’andraikitra,… Tsy fitia te hanakiana na hanenjika an-dRtoa minisitra sanatria, ary marina fa mety misy zavatra mahatezitra, saingy ny tena olona ambony eto amin’ny firenena, fa tsy sanatria olonolom-poana, ary manginy fotsiny ilay hoe: “minisitry ny fanabeazam-pirenena”. Efa nolanjalanjaina ve ny mety ho fiantraikan’ny zavatra tahaka izany? Atao mahagaga ve raha tsy mankatoa ny ambaran’ny mpitondra ny olona? Ny filoha aza moa niantso fihibohana fa ny zanany alefa mandoko sekoly sy maka sary mifanetinety kely. Rehefa lasa adihevitra tsy hifankahitana vao nofafana ny sary. Saropady ny toerana ambony, ka aleo malina hatrany e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT