Fampianarana

Minisitry ny fanabeazam-pirenena Efa tsy nahavaha olana hatry ny ela


  • Zoma 20 Jolay 2018

Lany olomanga sy manampahaizana ve ny Malagasy ka tsy mety raha tsy olona iray no haverimberina amina andraikitra samihafa ao anatin’ny taona maro mifanesy ?

 
Endrika iray hisehoany ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ankehitriny Horace Gatien, izay toa tsy mba very seza mihitsy. Ao anaty birao politikan’ny HVM izy amin’izao.  Tany amin’ny taona 2011, dia efa nohenjehin’ny mpianatra tao amin’ny oniversiten’i Toamasina satria  tsy nahavaha savorovoro, ka nahafatesan’ny iray tamin’izy ireo mihitsy ny 10 septambra 2011, ary notondroin’ny mpianatra ho tompon’antoky ny tsy filaminana izy, ka notakiana hatramin’ny fialany. Lasa minisitry ny fampianarana teknika ny 18 aprily 2014 rehefa nitsangana ny Governemantan’i Kolo Roger. Nafindra toerana tao amin’ny Minisiteran’ny angovo indray ny janoary 2015 rehefa lasa praiminisitra i Jean Ravelonarivo. Nibaby kihana betsaka noho tsy fivahan’ny delestazy. «Rehefa tsy mahavita dia miala fa aza manadala Vahoaka. Na inona na inona lazaina dia tsy fahaizana no dikan'izany, ka mametraha fialana fa sady manala baraka ny fitondrana no mbola manala baraka ny cadre avy any SAVA », hoy ny fanehoan-kevitra mahery nataon’ireo mpiray fihaviana aminy tamin’izany.  Izany no mbola hapetraka hitantana indray ny minisiteran’ny fanabeazana, izay azo ambara ho saropady sy stratejika. Efa zatra korontana tokoa angamba ka efa rano fisotro ny fanenjehana mahazo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT