Fampianarana

Minisitry ny fanabeazam-pirenena “Diso ianao ray aman-dreny nampitondra iPhone 11 ny zanakao”


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Nisy mpianatra very “téléphone iPhone 11” tany am-pianarana, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Pr Marie Michelle Sahondrarimalala. Ny diso voalohany,

hoy izy, dia ianao ray aman-dreny izay nampitondra izany ny zanakao. Ny diso faharoa dia ianao mpianatra izay nitondra azy sy nandika ny fitsipika mipetraka ao an-tsekoly. Tsy azo atao ny mitondra zavatra sarobidy any an-tsekoly. Mora ny manaraka izany. Raha ilaina ny mampitondra finday ankizy noho ny fiarovana azy dia « téléphone portable basique » omena azy. Aleo samy tompon’andraikitra amin’ny nataony. Tsy tokony ailika any amin’ny sekoly na ny mpampianatra. Tokony manaiky diso. Fanabeazana no atao an-tsekoly. Tsy maintsy manaraka ny fitsipika ao. Tsy manana safidy ianao. Rehefa azo atao dia azo atao. Rehefa Tsy azo atao dia tsy azo atao. Ho an’i Mme Tahina dia manohana anao aho. Manohana anao izahay. Ho antsika mpampianatra, mpiara-miasa ato amin’ny fanabeazana. Aza miady irery any. Efa manana rafitra ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ny “direction des affaires juridiques”. Natao hiaro ny fanjakana, hiaro anareo, antsika ato amin’ny fanjakana sy eny anivon’ny fitsarana. Ho antsika tomponandraikitra rehetra. Mila mandinika lalina sy mitandrina isika rehefa misy raharaha mahakasika mpampianatra, mpanabe sy mpiasan’ny fanabeazana. Tsy mitovy aminao izy. Manan-danja noho ianao izy. Mila arovana izy ao anatin’ny fanatanterahana ny asany ao amin’ny ara-dalàna. Mankahery antsika mpiaramiasa rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT