Fampianarana

Minisitry ny fampianarana ambony “Fanodinan-dresaka ny hoe: omena ny Axian i Tsimbazaza”


  • Alakamisy 18 Novambra 2021

Nandiso tanteraka ny fanomezana ny valanjavaboaharin’i Tsimbazaza hotantanin’ny sehatra tsy miankina ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Pr Elia Béatrice Assoumacou,

 araka ny tatitra nataona fampahalalam-baovao iray omaly. Nohamafisin’io minisitra io ny tsy hanomezana izany ho an’ny tsy miankina, ary aminy dia fanodinan-dresaka sy saim-bahoaka tsy hitodika any amin’ny raharaha fanodinkodinam-bola amin’ny fitantanana ny valanjavaboahary ankehitriny izany. Voalazany fa ny teetibolan’ny valanjavaboaharin’I Tsimbazaza dia raisin’ny Fanjakana an-tànana, ka ao anatin’izany ihany koa ny karaman’ny mpiasa sy ny mpikaroka. Mampidi-bola ihany koa anefa ny valanjavaboahary kanefa dia io no endriny, hoy ny fanamarihana. Herinandro lasa izay dia eo ambany fanaraha-mason’ny PAC (Pôle Anti-Corrumption) ny Tale misahana Valanjavaboaharin’I Tsimbazaza noho ny raharaha fanodokodinam-bola sy fanaparam-pahefana ary fanakavahana hanomezana vahana olona manokana na “favoritisme”, raha ny fanazavana. Araka ny fanampim-baovao azo moa, dia miisa 06 ireo olona voarohirohy mivantana: ny tale, sekretera manokany, «comptable» miisa 2, « assistant comptable » 1, « fournisseur » 01. Olona 05 hafa kosa nahazo fahafahana vonjimaika.
TENA NITADY FIARAHA-MIASA NY AXIAN
Araka ny notaterin’ilay fampahalalam-baovao hatrany, dia nilaza ny minisitra fa nisy tokoa tolo-kevitra hanaovana fiaraha-miombon’antoka, ka nilazany fa toy ny an’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny valanjavaboahary ihany no nataon’ny Axian. Efa voaray ny tolo-kevitra ary halefa amin’ny komity siantifika hodinihina, raha ny fanazavan’ny minisitra, hoy ny fampahalalam-baovao iray. Raha raisina amin’io, dia tena misy aloha izany ilay resaka fitadiavana fiaraha-miasan’ny Axian fa tsy diso. Ireo mpikaroka-mpampianatra sy mpiasa nanao fanambarana omaly, dia naneho, fa eo am-pelantanan’izy ireo ny vinavina amin’ny endriky ny fiaraha-miasa, izay toherin’izy ireo marin-drano. Sao dia mba nalefa ary aloha ny tsapan-kevitra na « sondage » hitsapana ny halalin’ny rano ka raha marivo hirobohana fa raha lalina izany hoe : mahery vaika ny fanoherana dia hiverenana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT