Fampianarana

Minisitran’ny fanabezam-pirenena 50 miliara Ar hanatantrahana tetikasa vaovao


  • Alakamisy 24 Martsa 2022

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly 23 martsa 2022 ny fampitam-baovao mikasika ny fangatahan'ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena hampiasa ny vola natokana hanatanterahana ny NPE (Nouveaux Projets Emergents) amin'ity taona 2022 ity.

 Nahazo vola 50 miliara ariary mantsy io minisitera io hanatanterahana ireo tetikasa vaovao.. eritreretin’ny Minisitera handaniana azy ny: Fanamboarana sekoly manara-penitra fanarenana sekoly, fampitaovana ny tranon'ny Ministera ao Anosy, fividianana latabatra sy dabilio ho an'ny Mpianatra manodidina ny 45 000, fanohizana ireo asa fanorenana niato, fanohizana indray ireo asa tsy mbola nanomboka nefa tokony efa natao, fividianana sy fandefasana any amin ny Faritra ireo fitaovana anampiana ny ankizy mpianatra, toy ny “sandales”, “tabliers” ary latabatry ny mpampianatra;nambara fa tanjona amin ny fampiasana io vola io ny mba hisian’ny fitantanana mahomby ny fandaniam-bola, ny hampiroborobo ny rafi-panabeazana azon’ny rehetra sitrahana sy ara-drariny, ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana, ary ny fanatsarana ny fitantanana sy ny fitarihana. Rehefa zohiana, mirona kokoa hatrany amin’ny endrika hita maso ivelany. Tena ilaina ny fotodrafitrasa, saingy mandeha ila raha adino na mareefo ny fotodrafitr’olona izay tena ain’ny fampianarana. Rehefa tarafina ihany koa, tsy mirindra ho an’ny firenena manontolo, fa santionan-javatra, ka tokony hazava ny drafitra nasionaly. Tany aloha, ohatra, nahazo fampitaovana ny zaza Malagasy tsy an-kanavaka fa ankehitriny toa tsongaina. Irariana mba tsy ny avo ihany no hotovanana, ka amin’ny toerana efa betsaka ny safidy ho an’ny sekoly no mbola hanaovana fotodrafitrasa fa ny ambany ravinkazo na dabilio aza tsy misy. 100 tapitrisa dolara isan-taona eo ny tohana avy amin’ny Norvezianina ho an’ny fampianarana eto Madagasikara tamin’ny Fanjakana Ravalomanana, voajery ny rehetra, ka tokony ho mahafaobe ny tetikasa sy programam-panjakana;
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT