Fampianarana

Minisitra Blanche Nirina Richard “Tsy hasiana 2ème session izany ny bakalorea teknika »


  • Alarobia 16 Oktobra 2019

Niteraka resabe teto amintsika andro maromaro lasa izay ny amin’ny tokony handraisan’ny fitondram-panjakana fanapahan-kevitra ny amin’ny hanaovana « 2 eme séssion » ihany koa ho an’ireo nanala ny baka teknika farany teo.

 

 

Nambaran’ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony omaly Rtoa Blanche Nirina fa ny bakalôrea ankapobeny ihany no hanaovana izany noho ny fisian’ilay laza adina mialoha nivoaka na ny  “fuites de sujet”. Ny baka teknika, hoy hatrany ny minisitra, tsy nisy fa ny laza adina nifandiso no nisy teny amin’ny lisea teknika Alarobia, antony nanemorana kely ny andro tokony hiatrehan’ireo mpiadina ny fanadinana.  Ny alatsinainy teo anefa dia nisy ny karazana fitakiana nataon’ireo mpampianatry ny teknika amin’ny tokony hisian’ny « 2ème session » ho an’ireo mpianatra, ka nahatonga azy ireo tsy nitsara ny laza adina. Omaly vao nirosoana ny fitsarana. Efa  vonona tanteraka moa ity minisitera ity amin’ny fiatrehana io fanadinana bakalôrea 2 eme séssion hotanterahina ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao io, daty izay nantitranterin’ny minisitra fa tsy miova hatreto. Mikasika ny olan’ny SECES manokana dia nomarihiny fa aorian’ny fahavitan’ny fanadinana Bakalôrea 2 eme séssion soa aman-tsara dia hiverina hifampidinika amin’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ny tenany hahafahana mamaha ny olana.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT