Fampianarana

Minisiteran’ny fanabeazana “Tsy maintsy hofoanana ny CEPE”


  • Talata 06 Oktobra 2020

Nandritra ny fananganan-tsaina teo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena omaly maraina natrehin-dRamatoa Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle sy ny Sekretera jeneraly Razafimahefa Herimanana no

 

 

nampahafantarana ireo tale vaovao voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 30 septambra. Nandritra io nanamafisan’ny Sekretera Jeneraly, fa hisy fakana vola ho an’ny mpampianatra FRAM fa ho maimaimpoana avokoa ny rehetra. Ho hafakely ny fampitaovana satria ankoatra ny sekoly manara-penitra, dia nambara fa hisy ny fizarana dabilio manara-penitra, ka ny zaraina any Ikelivondraka, ohatra, dia tahaka ireny zaraina any Paris Frantsa ireny. Hisy ny fizarana kiraro, kit scolaire, tableu,… hoy ny fanazavana. Mbola baraingo kosa na vita ao alohan’ny fidirana na tsia. Eo amin’ny famatsiana ara-bola ny “caisse scolaire” dia misy avy amin’ny fitondram-panjakana, misy avy amin’ny mpiara-miombon’antoka na ny PTF, Banky Iraisam-pirenena. Eo amin’ny fangatahana ilay “avis de non objection” isika amin’izao fotoana izao, ka ho raikitra ny “caisse ecole”. Izao dia izao dia hiantso sy handefa taratasy nakany Washington mba hahatongavan’izany haingana, ary eo am-piandrasana ny valiny amin’izao fotoana izao, hoy i Herman Razafimahefa. Tsy maintsy hiditra amin’ny fanafoanana CEPE isika eto Madagasikara na hoe ela na ho haingana, ka hisy ny fanazavan’ny Minisitry ny fanabeazana atsy ho atsy. Hisy “ trois sous-cyles”, ka rehefa vita ny “cycle” iray dia hisy fizarana “certificat” homena ny mpianatra, raha ny fanazavana. Efa tamin’ny Fitondrana Ravalomanana no namolavolana ny fanovana ny rafi-pampianarana, ka isan’izany ny fanafoanana ny CEPE saingy isan’ny nanakianana sy nanenjehana azy. 15 taona eo ho eo aty aoriana isika hiroso amin’izany ihany, izay midika fa nisy fahatarana be.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT