Fampianarana

Minisiteran’ny fanabeazana Mpiasa tsy ara-dalàna maherin’ny 200 sarona


  • Alakamisy 24 Martsa 2022

Nankatoavina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra omaly 23 martsa ny fampitam-baovao mikasika ny fanapahana ny fifanaraham-piaraha-miasa hosoka sy tsy mitombona sy ny fanapahana ny karaman'ireo olona izay nisitraka izany teo

 anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Maherin’ny 200 ny fifanarahan’asa tsy ara-dalàna nandritra ny asa fanamarinana sy fanaraha-maso ny fizotry ny fandraisana mpiasa tamin'ny alalan'ny informatika, nataon'ny minisiteran 'ny Fanabeazam- pirenena ny volana janoary 2022, hoy ny tatitra. Manoloana izany hosoka izany, dia nandray ny fepetra manafoana ireo fifanarahana sandoka ireo ny minisitera ary manatsahatra ny fanomezana « immatriculation ho an’ireo mbola an-dàlam-pikarakarana, ary ny fampiatoana ny karaman’ireo mpiasa efa nahazo “immatriculation” sy efa nandray karama. Efa mandeha ny famotorana anatiny amin'izao fotoana izao mba hahitana ireo olona tafiditra amin'ity raharaha ity, hoy hatrany ny tatitra. Efa nisy ihany koa ny fametrahana fitoriana noho ny fanaovana kolikoly, ny fanaovana hosoka sy famplasana hosoka, ary koa noho ny “cybercriminalité” teny anivon'ny PAC (Pôle Anti-Corruption du Premier Degré) eto Antananarivo. Matoa misy ny fandraisana dosie hosoka, dia nisy ihany koa ny lesoka na tsy fahamalinana na koa tsikombakomba tamin’ny mpandray izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT