Fampianarana

Minisiteran’ny fanabeazana Hahita loza ireo mpanodinkodim-bola


  • Talata 30 Jolay 2019

Hapetraka ny fomba fiasa vaovao sy fandrindrana asa ary ny fampitoviana fomba fijery amin’ny fanatanterahana ireo andraikitra sahanin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa araka ny toromarika tamin’ny fivoriana arak’asa notarihin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta,

 

 Ntsay Christian omaly. Ilaina ny fanovana ny fomba fitantanana mba hahafahana mampandroso haingana dia haingana ny firenena ary mba hipaka mivantana amin’ny vahoaka ny vokatry ny asa atao. Mila manana soatoavina ny mpitarika tsirairay eto amin’ny firenena dia ny fahamarinana, mitarika any amin’ny mangarahara, indrindra eo amin’ny fitantanana ara-bola. Isika dia tsy tompon’ny vola, hoy ny praiminisitra, fa «mpiandry omby volavita, tsy tompony fa mpamerin-doha ». Araka izany, ho hentitra ny fitondram-panjakana amin’ny fanaraha-maso ny fampiasana ny volam-panjakana, indrindra eo amin’ny fanolorana ny tsenan’asam-panjakana amin’ireo mpanao tolotra. Manomboka izao, dia tsy hisy intsony ny famindram-bola atao amin’ireo rantsa-mangaikan’ny minisitera raha tsy misy ny fandaharam-pampiasana izany mazava, ary ny tetibola homena ny ministera dia tsy miankina amin’ny fanitsinitsiana ny teo aloha intsony fa atao mifanaraka amin’ny vina izay napetraky ny filoham-pirenena izay voarakitra ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana sy ny filana takian’ny eny ifotony. Ity minisitera ity no mitana ny laharana faharoa amin’ny fandaharam-pampiasana ny volam-panjakana na « PIP », noho izy misahana ny fanarenana sy ny fanorenana fotodrafitrasa maro, ny fanampiana ara-bola ho an’ireo mpampianatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ny fizarana ireo « kits scolaires », ny fampisakafona ireo mpianatra, ny fampitaovana eo amin’ny sehatry ny fampianarana,...

 

Mikasika ny rafi-panavaozana ny fampianarana na ny « PSE », indrindra ny mikasika ny tetiandrom-pampianarana dia nanamafy ny tokony hiverenana amin’ny fifampidinihan’ny rehetra voakasik’izany ny praiminisitra mba hahazoana vokatra mifanaraka amin’ny tena takian’ny zava-misy iainana ankehitriny fa tsy hanaraka an-jambany ny fanaon’ny firenena hafa isika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT