Fampianarana

Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena “Tsy mangarahara ny fandraisana mpiasam-panjakana.”


  • Talata 28 Janoary 2020

Nampitsikafona zavatra maromaro, raha ny nambaran’ny federasionin’ny sendikan’ny mpampianatra eto Madagasikara na Sempama,

 

 faritany Antananarivo, tetsy amin’ny Koots food Mahamasina omaly ny filazan’ny filoham-pirenena fa misy minisitera tsy hay na tsy mahay mitantana na manodinkodim-bola ao. Antony nanaovan’izy ireo tombana mikasika ny tontolon’ny fanabeazana nandritra iny taona 2019 iny izany. Nampihoroin-koditra, hoy izy ireo, ny fanadinam-panjakana tao anaty taom-pianarana 2018-2019. Mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra izahay ary menatra eo anatrehan’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ireo mpianatra. Manjakazaka ny “akamakama” mikasika ny fandraisana mpiasam-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, raha ny nambaran’izy ireo hatrany. Tsy mazava sy tsy mangarahara ny nanaovana ny mason-tsivana nandraisana ny mpiasam-panjakana eo anivon’io minisitera io. Misy olona 10 na 20 taona niandraiketana teo anivon’ny minisitera kanefa ireo vetivety no niditra, 2 taona, vao tonga omaly no noraisina ho mpiasam-panjakana. Nambaran’izy ireo ihany koa ny fisian’ny adilahy politika eo anivon’ny minisitera kanefa efa niadivany ela ny “dépolitisation” ao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy fampiofanana tekinika sy arak’asa. Iharan’izany anefa ny mpampianatra sy mpanabe ankehitriny satria samihafa ny politikan’ny minisitra sy ny sekretera jeneraliny. Simba ny kalitaon’ny fanabeazana fa izay mangataka alalana hampianatra na “autorisation d’enseigner” dia mahazo avokoa. Misy mahazo dia misy tsy mahazo kit scolaire kanefa hita eny an-tsena ireo ankehitriny. Taraiky ny “cantine scolaire” kanefa tsizarizary ny sakafo ao anatiny na dia andoavana 100 ariary isaky ny ankizy aza. Manahy izahay sao ity minisitera ity no tsy ahatanterahana ny veliranon’ny filoham-pirenena, hoy hatrany izy ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT