Fampianarana

Minisiteran’ny fampianarana ambony Raikitra ny fitokonana faoben’ny mpiasa


  • Zoma 16 Septambra 2022

Tsy mety milamina ny sehatry ny fampianarana ambony, fa grevy sy fitakiana lava. Tapitra omaly 15 septambra ny fe-potoana 72ora nomen’ireo mpiasan’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa hamaliana

ny fitakian’izy ireo, ka nanapa-kevitra hiditra amin’ny fitokonana faobe ny mpiasa, izay mitaky “indemnité de technicité”. Mitaky ny hampidirana ny tetibolan’izy ireo ao anatin’ny tetibolam-panjakana. Vao maraina omaly dia efa mailo ny Minisitera, ka nohidiana ny vavahady tao Fiadanana, izay nanana “badge” ara-dalàna ihany no afaka niditra. Niantrana teny an-toerana ihany koa ny mpitandro filaminana. Nilaza ireo mpiasa fa tsy noraisin’ny minisitra na dia nanao fangatahana aza. Efa nilaza moa ny Minisitra Pr Assoumacou Elia Béatrice, fa sendika tsy ara-dalàna ireto. Tsy tafiditra anatin’ireo misitraka “indemnité de technicité” ihany koa satria efa voafaritry ny lalàna ny fisitrahana izany izay ny mpandraharahan’ny oniversite, IST, CROUA, no misitraka azy, fa tsy ao anatiny ireo mpandraharaha eo anivon’ny Minisitera foibe. Misy didim-panjakana mazava tsara mamaritra azy, tsy didim-panjakana noforonina, tsy “indemnité” vaovao vao noforonona izay nositrahany hatramin’ny 2003 ka izay no nohajaina ny fampisitrahana azy, raha ny fanazavan’ny minisitra. Saika hanatanteraka fivoriam-be hanapahana hevitra mikasika ny tohin’ny fitakiany ny andaniny, saingy tsy afa-nanao izany tao amin’ny minisitera, ka nitady toeran-kafa, ary nanambara fa hiroso amin’ny fitokonana faobe noho ny tsy fifampihainoana. Resaky ny moana sy ny marenina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT