Minisiteran’ny fampianarana ambony

Niantso fanohizana ny fampianarana


  • Talata 29 Aogositra 2023

4 andro aty aorian’ny toe-draharaha teny Ankatso ny 24 aogositra 2023 no namoaka fanambarana ny Minisiteran’ny

Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa omaly 28 aogositra tamin’ny alalan’ny Sekrtera jeneraliny. Niantso ny rehetra hiaro ny rafi-pampianarana ambony izay miaina fahasarotana hatrany noho ireo olana izay nambara fa efa aman-taonany maro mivangongo. Milaza io minisitera io fa maro ny dingana efa vita sy ny olana novahana ( momba mpampianatra, momba PAT, momba mpianatra), saingy noho ny hamaroan'ny olana rehefa mivaha ny iray ,dia misosoka ny hafa. Mitaky fifampidinihana, ezaka ary fotoana, rindra firaisankina sy fifanomezan-tanana ny fanarenana izany, hoy hatrany ity fanambarana ity, izay naneho, fa manatanteraka ny adidy nankinina aminy araka izay fahafahana sy fahefana ampelan-tanana ny Ministera ary miezaka hatrany mikatsaka ny vahaolana amin'ny ambaratonga isany mikasika ireo teboka mampikatso ny tontolon'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana. “Miangavy ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra ary ny Mpandraharaha rehetra mba hitodika amin'ireo tanora volavolaintsika ho mpitondra sy mpitantana rahampitso ireto ka hamita sy hamarana ny taom-pianarana amin'ny tokony ho izy, hoy io fanambarana io. Nambara fa efa misy ireo dingana mandroso amin'izao raha tsy hilaza fotsiny ny fankatoavana ny fahafahana mandoa ny tapany farany amin'ny tambin-karaman'ireo mpampianatra an-tselika, miroso tsikelikeiy amin'ny fandinihana ireo teboka nahazoana fitarainana sy natolotra ny filan-kevitra ihany koa ny fanjakana. Nanambara fa manameloka ny fampiasana ireo herisetra izay natao tamin'ny mpianatra izay tsy tafiditra ao anatin'ny fanatanterahana ny asa fitandroana ny filaminana ary mitaky ny tsy hiverenan'ireny intsony. Etsy andaniny dia mbola manamafy amin'ireo mpianatra hatrany ny amin'ny fanajana ireo toetra mendrika ho an'ny ambaratonga ambony. Miantso ny rehetra mba ho tony sy hiverina amin'ny filaminana hatrany fa ao anatin'izany no hisian'ny vahaolana, hoy hatrany ny ampahan’ity fanambarana ity. Asa aloha izay ho setriny sy akony fa hatreto, mbola tsy milamina ny tontolon’ny fampianarana ambony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT