Mila solosaina, kely anefa ny vola am-pelatanana

Inona no hevitra ?


  • Alarobia 19 Martsa 2025

Mitodika any amin’ny fampiasana solosaina na ny asa na ny fianarana ankehitriny.

Raha hividy an’ilay solosaina mora anefa ampiasaina fotoana fohy dia simba. Ny asa ho atao aminy anefa tsy tena mila ilay raitra be akory. Tena tsy misy hevitra ve hoy ianao? Ity misy vahaolana.
MIOVA ENDRIKA
Mampiasà Linux. Ny Linux dia “système d’exploitation” toy ny Windows 7,10,11 na MacOS. Mahavita ny vitan’ny hafa izy fa ny endrika no tsy mitovy amin’ilay mahazatra antsika isan'andro. Raha mpanao “traitement de texte”, manoratra boky na mpikirakira antontan'isa ianao dia manana ny logiciel Libre Office izy mifanakaiky ny an’i Microsoft Office ihany fa miova endrika kely.
MAIVANA
Tombony faharoa sady tsy kely dia maivana ny Linux raha hoarina amin’ireo namany satria ao aorian'ny “installation” dia 6 ka hatramin'ny 8 Go ny “espace de stockage” alain’i Ubuntu 18(Linux) raha 20Go mahery kosa ny an’i Windows 10. Raha manana “espace de stockage” 30Go fotsiny ianao dia afaka mampiasa azy tsara raha tsy misy fandaniana be.Raha ny RAM ilaina indray no jerena dia 2Go dia efa milamina ny Ubuntu 18(Linux) raha 4Go kosa vao mandeha tsara tsy mihitsoka ny Windows 10.
VETIVETY DIA VELONA
Efa nahazo ny sasany amintsika angamba ilay hoe ela be vao velona ilay solosaina. Ilay “système d’exploitation” no anton’izay. Manatombo anefa ny Linux noho izy maivana. Raha ny Ubuntu 18(Linux) manokana izao dia 15 ka hatramin'ny 30 segondra eo no velona raha solosaina tsotra manana RAM 4Go i3 na i5 (“3e ka hatramin'ny 5e génération”) raha 30 ka hatramin'ny 90 kosa ny windows 10 (araka ny trankala EaseUs).
VELOMA RY VIRUS
Farany, voaaro amin’ny virus ny linux. Ny antony dia efa natokana mihitsy izy io ho an’ireo mpanao informatique, fametrahana tranokala amin’ny aterineto ary tsy nataon’izy ireo ho fitadiavam-bola amin’ny mpampiasa azy fa natao kokoa ho an’ny orinasa. Misitraka ny fiarovana izay napetrak’ireo namorona azy noho izany izay mampiasa azy ary azo antoka fa tsy ho tratran'ny virus amin’ny alalan'ny clé USB izany ianao. Eo ihany koa ny hoe tsy misy programme afaka miasa raha tsy ianao no mamela azy hanao zavatra, ny virus anefa dia izay miasa mangina tsy fantatrao izay mihintsy no mahatonga azy afaka manimba. Fehiny, afaka mividy solosaina ambany kokoa ianao dia esorina ilay windows ary soloina linux (Ubuntu 18 ohatra). Afaka manantona ireny mpanao “installation système” ireny ianao na mijery mivantana amin’ny aterineto ny fomba atao raha hanao “installation”. Inona ary no mbola manakana anao tsy hividy solosaina raha izany? Mirary soa,
Hasina Rivonandrasana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT