Fampianarana

Mikorontana ny fampianarana Manangasanga ny taona fotsy


  • Zoma 06 Jolay 2018

Nambaran’ny minisitry ny fanabeazana Horace Gatien ny takarivan’ny 4 jolay teo, fa roa andro maninjitra no nikaon-doaha ny solontena 8 avy amin’ny sendikan’ny mpampianatra niaraka tamin’ny solontenan’ny minisitera voakasika dia teknisianina miisa 3.

Nisy ny vokatra azo ary nentina tany amin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 4 jolay teo, dia ny hanafainganana ny “dossier d’avancement”, hakarina ho “catégorie 3-4” ireo nivoaka tamin’ny sekoly ambony CINFP, hfandraisana mpampianatra 8000 amin’ny 2019, ary torak’izany ny 2020,… Hisy tambin-karama manokana manomboka ny oktobra, izay 25 000Ar hotohizana ny 2019, ary hotovonana tambiny manokana 25000Ar, ary 50 000Ar amin’ny 2020,…. Nandainga ampahibemaso ny minisitra, fa tsy nisy fifanarahana mazava sy niarahana nanao sonia izany, hoy Rabeharijao isan’ireo mpitarika ny fitakian’ny mpampianatra. Nisy teknisianina tao mihitsy efa nifaraka fa tsy misy manao fanambarana fa tsy nifanaraka isika amin’io soso-kevitra nomenareo io, hoy izy. Handeha hanao tatitra mikasika izany omaly, saingy feno Emmo-Reg ny tokontany. Nirarakopana ny lakrimozenina, nahatratra hatrany amin’ny 11 izay vao mainka naharomotra ireo mpanabe, ka baomba mandatsa-dranomaso sy fihantsiana ady izany no setrin’ny fitakiana. Izahay tsy hiverina hiasa na hinon-kihantra na inon-kidona, ary aleo ary maty eto izahay, fa efa izao no mahazatra ny mpitondra fanjakana, hoy izy ireo. Nivoaka hatramin’ny resaka hoe hihezaka tsy hampianatry ny zanaky ny Emmo-reg moa noho ny hatezerana vokatry ny herisetra. Raha sanatria ka misy ny taona fotsy dia tsy tomponandraikitra izahay, fa ireo mpitondra tsy mety mamaha ny olana no tompon’antoka, hoy hatrany izy ireo. Hatreto aloha izany, dia mbola mitombina ny taona fotsy. Mitohy ny grevy, ka miandry ny fifampidinihana, ny praiminisitra, ny minisitry ny vola, ny minisitry ny fampianarana, ny minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy no tokony hiresaka aminay,…


Ny fahatezerany momba ny fibahahana azy tsy hivoaka ny toeram-piasana ny andron’ny 4 jolay no nahatonga azy nanapa-kevitra hiantso Emmo-reg hisakana ireo mpanao fitakiana hiditra ny minisitera, hoy kosa ny minisitra Horace Gatien. Vao mainka mihantsy ady, hoy ny mpampianatra, izay efa nilanja sora-baventy hoe: “Miala i Horace Gatien”.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT