Mikatso ny fampianarana eny Ankatso

Hanao hetsika eo amin’ny Esplanade ireo mpianatra anio


  • Talata 14 Novambra 2023

Mikatso tanteraka ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo hatreto.

Raha tsiahivina dia efa ho enim-bolana izao no niainan’ireo mpianatra izany izay lasa mirenireny tsy misy hatao intsony ny ankamaroany nefa mba nandanian’ireo Ray aman-dReniny vola aman-karena sy efa nandany fotoana ihany. Tsy vitan’ireo mpianatra intsony ny miaina izany ka hanao hetsika ao amin’ny faritra ny oniversite izy ireo anio talata 14 novambra manomboka amin’ny 09 ora maraina. Eo amin’ny esplanade Ankatso, no fotoana izany hoe ao anatin’ny faritry ny oniversite ihany raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra izay niantso ireo mpianatra rehetra mba ho avy nandritra ny fanambarana nataony omaly maraina. Efa dila hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ny fandeferan’izy ireo. Izy ireo izay tsy nitsahatra nikaroka vahaolana ny amin’ny hamerenana ny fampianarana sy nangataka ny mba hisian’ny fihaonana an-databatra boribory eo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny mpianatra saingy tsy nahazo rariny. Nisy ihany koa ny fihaonan’izy ireo tamin’ny SECES sy ny MESUPRES saingy samy hafa ny zavatra nolazain’ny roa tonta.Nohamafisin’ity filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ity moa fa mila olona mahavita mametraka amin’ny toerany ny fampianarana ny firenentsika, raha tena tiana handroso marina i Madagasikara. Hatreto tsy mety hita taratra mihitsy izany. Olona tahaka ny kandida laharana voalohany Tahiana Razafinjoelina moa no tena handrandrain’izy ireo mafy izay sady mpampianatra no mpandraharaha, mahalala tsara ny maharary ireo tanora mpianatra eto amintsika.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT