Fampianarana

Mikatso indray ny oniversite Manome 72 ora ny fanjakana ny SECES Antananarivo


  • Alakamisy 19 Mey 2022

Hanao fitokonana fanairana manomboka anio ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka, sampana Antananarivo, na SECES Antananarivo,

raha ny fampahafantarana nataon’izy ireo tetsy Ankatso omaly. Miato ny fampianarana. Mitsahatra ny fanadinana. Mijanona ihany koa ny fanohanana seho karoka na licence io na Master na Doctorat na HDR, hoy ny filohan’izy ireo, ny Pr Sammy Gregoire Ravelonirina. Tsy mampianatra ny mpampianatra raikitra sy an-tselika. Tokony hikatona manontolo ny toeram-pampianarana rehetra eto amin’ny oniversiten’Antananarivo, hoy izy. Ny alatsinainy izao manomboka amin’ny 8 ora sasany maraina kosa dia hitondra fanazavana amin’ireo delegen’ny mpianatra ety amin’ny Anjerimanontolon’Antananarivo ny filohan’ny mpianatra isaky ny kilasy, ny filohan’ny fikambanana ara-pedagojika sy rejionaly ao amin’ny Q1 an’ny fakiolten’ny siantsa ny biraon’ny SECES sampana Antananarivo. Tsy mahazo atao tompon-trano mihono fa tsy maintsy ampahafantarina ny antony ireo mpianatra. Hanatanteraka fivoriambe ny SECES Antananarivo ny alarobia izao ahafahana mandray fanapahan-kevitra satria mino sy manantena izahay fa tokony hisy vahaolana avy amin’ny fanjakana ahafahanay miverina amin’ny fampianarana. Raha tsy sitraky ny fitondram-panjakana moa fa mety heveriny ho maivana ny toe-draharaha dia hanohy fitokonana lavareny ny SECES Antananarivo. Tsy nisy ny fihaonana mivantana tamin’ireo tomponandraiki-panjakana ambony raha toa ka efa nandefa ireo sosokevitra fanatsarana ireo andinin-dalana tao anatin’ilay lalana mifehy ny fizakan-tena nolavin’ny HCC tany amin’ny fitondram-panjakana ambony ny biraon’ny SECES. Omaly hariva (TTF: ny 17 may teo) no naharay ny mailaka avy any amin’ny minisitera mpiahy momba ny heverin-drizareo ho fanatsarana ireo teboka miisa 5 nahatonga ny fandavana faobe nataon’ny HCC ilay lalana 2021-28 mikasika ny fizakan-tenan’ireo oniversite, ny toeram-pampianarana ambony sy ny foibem-pikarohana nasionaly ny SECES. Eo am-pandinihana izany izahay ka ho averinay ny sosonkevitra omen’ny minisitera mpiahy. Feo iray ny oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana mikasika ny fitakiana ny fizakan-tenan’ny oniversite satria tena vahaolana lehibe tsy hita noanoa miantoka ny filaminana maharitra eto amin’ny firenena iraimanontolo mihitsy ny fivoahan’io lalana io. Tokony hisy ny fihaonan’ny HCC sy HCDDED ary SECES amin’ity herinandro ity, izay andrasanay fatratra. Arahaba soa arahaba tsara raha eken’ny fanjakana ny fivoahan’ilay lalana satria leo ny fisiana grevy, fampiatoana fampianarana, antsojay madinidinika mahazo ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, ny mpianatra, ny mpandraharaha ny SECES ka izay no mahatonga azy nanolotra vahaolana maharitra, hoy hatrany ny SECES. Fitokonana fanairana hatramin’ny alatsinainy aloha io fa hiroso amin’ny fitokonana faobe izahay rehefa tsy misy ny vahaolana ao anaty 72 ora, hoy izy ireo.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny SECES Antananarivo
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT