Mikatso indray ny fitsarana bakalorea

Tsy omen’ny Fanjakana vola ireo mpampianatra


  • Talata 30 Jolay 2024

Toy ny isan-taona, misy olana indray ny fitsarana fanadinana Bakalorea eny Ankatso amin'izao fotoana.

Terena manao fanekena na "Lettre d'engagement" ireo mpampianatra mpitsara bakalorea fa tsy misy vola. Ny mpampianatra amin’ny taranja rehetra mihitsy no noterena nanao an’io "Lettre d'engagement". Niadian-kevitra ny mahakasika ny fisian’ io ka nisy ireo mpampianatra tsy nanaiky fa avy hatrany dia nampitsahatra ny fitsarana fanadinana. Isany nandray io fanapahan-kevitra io ny mpampianatra ny taranja Matematika. Tsy mbola nameno io taratasy io, sady nampitsahatra ny fitsarana fanadinana ihany koa ny taranja hafa ho an’ny omaly. Ny resaka fandoavana ny « vacations » tokony hositrahin' ireo mpampianatra mpitsara no antony nampanaovana ity "lettre d'engagement" ity. Hatramin'izay, rehefa vita ny fitsarana dia omena ny mpampianatra avy hatrany io « vacations » io ary ampiarahana aminy ny "Indemnité de déplacement" ho an'ireo avy lavitra. Raha ny fantatra dia tsy misy ny vola andoavana io « vacations » io ka izay no tena antony nanerena ireo mpitsara hanao ity "Lettre d'engagement" ity, raha ny fanampim-vaovao. Tsiahivina fa ny vola aloan'ny mpianatra ihany (droit d'examen) no tokony homena ireo mpampianatra saingy izao misy fivadihany izao, araka ny fanamarihana sy fanazavana. Fanontaniana mipetraka indray izany ny hoe hanao ahoana ny tohin'ny fanadinana?
OLANA MANDAVAN-TAONA
Efa olana mandavan-taona izy ity, saingy toa tsy mba misy vahaolana maharitra. Isaky ny fotoanan’ny fanadinam-panjakana, miverina foana ny fitakiana ny tambin-karama sy ny tokony tsy hiverenan’ny olana, kanefa toa hodian’ny Fanjakana adala. Endrika maneho sy manamafy fa hamaivanina hatrany ny mpampianatra sy ny tontolon’ny fampianarana. Tao anatin’ny fotoana nizoran’ny fanadinam-panjakana BEPC mihitsy no efa nandeha ny fanairana sy fampahatsiahivana, eny fa ambana mihitsy nataon’ireo mpampianatra, fa tsy hitsara izany izy ireo raha tsy mazava ny famoahana ny tambin-karama, izay olana foana mandavan-taona, ary ny vola tamin’ny herintaona no tokony horaisina amin’ity. Tahaka izany ihany koa ny Bakalorea. Tamin’ny taona 2023 no efa nafana ny fitokanana nataon’ireo mpitsara bakalorea, saingy io miverina io indray. Toa hararaotina amin’ny hoe : tsy hanao sorona ny mpianatra sy ny tanora ny mpampianatra, ary efa mahazatra ilay fitakiana, fa miasa ihany izy ireo, dia izao no iafarany. Ny Minisitera mikasika ny fampianarana aza moa samy banga daholo ny toerana telo ka atao mahagaga ve raha izao no zava-misy ? Tena hopotehina sy hotsinontsinoavina hatrany ny fampianarana mba hahafahana manabado sy manambaka ny Malagasy ?
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT