Midangana ny vidin’ny fitaovam-pianarana

Tsy tonga saina hanampy ny fanjakana, sovohan’ny fikambanana


  • Alakamisy 14 Septambra 2023

Hatreto tsy mbola hita taratra mihitsy izay fandraisan’andraikitry ny Fitondram-panjakana hanamaivanana ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra amin’izao fidiran’ny mpianatra izao.

Mbola betsaka ireo mpianatra tsy tafiditra an-tsekoly vokatry ny fidangan’ny vidin’ny fitaovam-pianarana saingy toa tsy mihetsi-bolomaso izy ireo. Misovoka mangina araka izany ny fikambanana mba hanome maodely azy ireo ka anisan’ireny ny Fkambanan’ny Vady Miaramila (FIVAMI), sy ny Fikambanan’ireo Vehivavy mpiasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (FVMF), izay nijery manokana ireo mpiara-miasa aminy. Teo ambany fitarihan-dRamatoa Rakotoarijaona Lydia, izay Filoham-boninahitry ny FIVAMI, notronin’ireo vehivavy mpikambana ao anatin’izany, no nanaovana ny hetsika. Sambany tamin’ity taona ity no nijoro teo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena ny fikambanana FIVAMI, fa ny fizarana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra zanak’ireo mpiasa kosa dia efa fanao isan-taona. Isan’ny nanao tolo-tanana tamin’izany fanampiana izany koa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa mba hanamaivanana ny fandaniana tsy maintsy hataon’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra. Marihina moa fa mahafinaritra hatrany ny fahaizan’ny mpiara-miasa mifampitsinjo tahaka izao saingy fanontaniana mipetraka kosa ny hoe : aiza no mba anjaran’ireo tsy manana Ray aman-dReny mpiasam-panjakana sy ireo tsy manam-piahy ?
Pati
Legende : Nandritra ny fizarana ireo fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT