Fampianarana

Miantoka ny ho avin’ny firenena Mila politika matotra ny fanabeazana


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Na ireo firenena matanjaka na koa mikatsaka fandrosoana dia tsy manao ambanin-javatra ny kalitaon’ny fampianarana satria izany no fototry ny fototry ny fampandrosoana.

 

 

Na eo aza ny harena ary na misy aza ny asa, dia ilaina ny fahaiza-manao miainga amin’ny fianarana noratovina. Ny « Capital humain » ananan’ny orinasa iray dia isan’ny singa fototra ahafahany mandroso sy mivelatra na tsia. Izany hoe ny “capital humain” dia herijika ho an` ny firenena. Eto Madagasikara anefa dia tena mbola ratsy kalitao ny fampianarana. Araka ny tatitra nataon` ny PASEC ny taona 2017. 75% an’ireo mpampianatra eny amin’ny EPP dia tsy manana diplaoma akory .Izany hoe zara raha manana taham-pahalalana ambony noho ny mpianatra ampianariny. Mahagaga anefa fa mbola latsaky ny 15%n` ny tetibolam-panjakana ihany ny tetibola nomena sy atokana hanatsarana ity sehatra ity. Ireo firenena mandroso maneran-tany anefa dia tsy latsaky ny 92% ny tahan` ny fampidirana ankizy an-tsekoly sy ny tsy fahaizana mamaky teny (alphabétisation). Raha lazaina fa fototry ny fampandrosoana ny fampianarana sy ny fanabeazana dia tokony laharam-pahamehana ho an'ny mpitondra izany ny fanomezana ireo enti-manana ilaina mba hahatanteraka izany marina isan'ambaratonga kanefa raha bado ny vahoaka amin` ny firenena iray dia tsy hisy mihitsy ny fampandrosoana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT