Fampianarana

Mendrika tamin’ny Bakalorea 3 mianadahy nomen’ny IT University vatsim-pianarana


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Mpianatra 3 mianadahy, isan’ireo mendrika indrindra tamin’ny fanadinam-

 

 

panjakana Bakalorea teo no nomen’ny IT University vatsim-pianarana ho fankasitrahana azy ireo tamin’ny ezaka lehibe vitany. Tsy iza izany fa Randrianarivo Tafitasoa Tahina, Rajerison Lalaina Nancia, Rakotondrasoa Razanadahy Andrianiavo, ka ny roa tamin’izy ireo dia “major” tao amin’ny Lisea Andoharanofotsy avokoa, ary izay no nandraisan’ity oniversite tsy miankina eny an-toerana ity azy ireo. Ny IT University sekoly ambony momba ny informatika sy ny tontolon’ny teknolojia no hiantoka ny lany manontolo ny fianaran’izy ireo ao aminy ihany tsy mandoa saram-pisoratana anarana sy saram-pianarana mandra-pahazoan’izy telo mianadahy ny mari-pahaizana “Licence”. Nahazo tombondahiny izany izy telo mianadahy afaka ny hisitraka ny fanofanana ao amin’ny IT University, isan’ireo sekoly sangany eto Madagasikara amin’ny fanofanana momba ny Informatika. Efa namoaka manam-pahaizana maro, ary vao ny volana novambra lasa teo, ohatra, dia ny mpianatra taona faharoa ao amin’ity sekoly ity no nandrombaka ny fifaninana “Hackathon Green Dev 2020” nokarakarain’ny Passion 4 Humanity sy ny IFM Madagascar. Vao tsy ela ihany koa izy ireo no nanokatra ny rantsana ITU Design School.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT