Marary ny fanabeazana

30% eo ny ankizy mahavita ambaratonga voalohany


  • Talata 10 Septambra 2024

Nanamarika ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara ho an’ity taom-pianarana ity

ilay seraseram-panjakana nilaza fa maimaimpoana ny fisoratana anarana eny amin’ny sekolim-panjakana. Ny fisoratana anarana no maimaimpoana, fa ny vola aloa misy foana ho an’ny ankamaroany satria satria mbola betsaka ireo sekoly tsy ampy mpampianatra, ary saika manerana ny Nosy no ahitana izany. Ny antontan’isa sy zava-misy iaraha-mahita ihany koa dia maneho, fa mitotongana ny fampianarana na misy aza ireo sehoseho ivelany ataon’ny Fanjakana. Nitotongana maherin’ny 60% ny tahan’ny fidirana an-tsekoly ho an’i Madagasikara ho an’ny taom-pianarana 2023-2024, ka anisan’ny antony ny olana ara-bola sy fidangan’ny saran’ny fampidirana an-tsekoly. Voasokajy ho isan’ireo Firenena Afrikanina misedra krizy amin’ny fanabeazana i Madagasikara. Ny fahasahiranana ara-pampianarana, izay midika hoe ny isan'ny ankizy tsy mahay manoratra sy mamaky teny mifanaraka amin'ny taona misy azy amin'ny faha-10 taona, dia tombanana ho 94% araka ny fanombanana nataon'ny Banky Iraisam-pirenena, UNESCO, sy ny fikambanana hafa. Vokatry ny zava-misy dia ny 138% amin'ny ankizy misoratra anarana amin'ny ambaratonga fanabeazana fototra dia tena ambany ny fari-pahalalany. Zava-dehibe ihany koa ny manatsara ny kalitaon'ny fampianarana omena ao amin'ny sekoly. Moa tena mifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny zava-misy eto amin’ny Firenena ve ? Moa fianarana sy fahalalana ahafahan’ny Firenena manainga ny toekareny amin’ny alalalan’ireo harena sy sehatra samihafa azo trandrahana ? Ny fidirana an-tsekoly dia tsy midika ho fahazoana fianarana, fa ny tsy fahazoana fianarana dia mampitombo ny hirika hialana an-tsekoly. Ny fahasahiranana ara-pampianarana dia iray amin'ireo anton-javatra manampy amin'ny lentan’ny fanabeazana ambany. Araka ny antontan’isa avy amin'ny Institut de Statistique de l'UNESCO (ISU), ny tahan'ny fahavitana ny fanabeazana fototra dia 62% ho an'ny zazavavy tamin'ny taona 2022 ary 57% ho an'ny zazalahy. Na izany aza, ny tahan'ny fahavitana ambaratonga voalohany amin'ny fanabeazana an-tsekoly dia mampiseho fitotonganana goavana, 34,6% ho an'ny zazavavy sy 30,9% ho an'ny zazalahy. Ny tahan'ny fidirana an-tsekoly amin'ny ambaratonga faharoa dia 36% ho an'ny zazavavy sy 34% ho an'ny zazalahy. Ny tahan'ny fidirana an-tsekoly amin'ny ambaratonga ambony dia 6% ho an'ny vehivavy tamin'ny taona 2022, mitovy amin'ny 6% ho an'ny lehilahy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT