Marary ny fampianarana

Misy sekoly mitovy amin’ny tranom-borona


  • Alarobia 21 Aogositra 2024

Tena mampalahelo ny trano fianarana ao Toliara ao. Hazokely maromaro no natambatra natsangana ho rindrina

tahaka ny tranom-borona hianaran’ny mpianatra manodidina ny 150 isa any ho any izay mifandimbindimby. Ao amin'ny Fokontany Anjapototse, kaominina ambanivohitr’i Marolinta, distrikan'i Beloha Androy no misy azy io. Henatra ho an’ny firenena iray manontolo ny fisian’ny foto-drafitrasa tahaka izao, indrindra fa mahakasika ny sehatry ny fanabeazana. Tsy tokony hatao ambanin-javatra mantsy ny fananganana trano fianarana izay hiankinan’ny ho avin’ny taranaka iray manontolo. Fahalalana rahateo no ratovona ao anatin’izany ka tokony hahafinaritra sy hahatamana ary mahate-honina izy ireny fa tsy mampalahelo sy mampahonena tahaka izao.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay trano fianarana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT