Fampianarana

Marary ny fampianarana ambony Manamafy fa tsy hanao “ora fanampiny” ny SECES Tana


  • Alakamisy 25 Novambra 2021

Marary tanteraka ny tontolon’ny fampianarana ambony miankina amin’ny Fanjakana. Nanamafy Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra mivondrona ao amin'ny SECES Sampana Antananarivo

 omaly, fa ny fetr'asa tsy maintsy tanterahina (Obligation de service") ihany no hataon'izy ireo manomboka amin’izao taom-pianarana 2021-2011 diavina izao, mba hisorohana ny fitakiana ny « Vacation » sy ny « Heures Complémentaires » amin'ny alalan'ny fitokonana. Anjaran'ny fitondran-panjakana ny mitady ireo mpampianatra an-tselika (vacataire) hiantsorohany famenoana ny fahabangana mihoapampana eo amin 'ny asa fampianarana ambony ary indrindra fa ny fandoavana ara-potoana izany valin-kasasaran'ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra izany. Manana adidy amin'ny fanaraha-maso, fitsirihana, ary fanitsina an'izay mety ho tsy fahatomombanana na tandrevaka miseholany ataon'olom-boatendry eo ambany fifehezany ny ambaratongam-pahefana rehetra misy eo amin'ny fitantanan- draharaham-panjakana, izay tsy tokony hitarika velively any amin'ny gaboraraka na sanatrian'izany ho any amin'ny fitondrana ratsy tantana. Mikasika ny fiainam-bahoaka kosa, nilaza ny SECES Antananarivo, fa miaina ao anatin'ny fijaliana tanteraka no sady tsy misy andro mihiratra ny valala tsy mandady harona ankehitriny satra mirongatra izay tsy izy ny tsy fandriampahalemana, mampiteny ny moana ny fidangan'ny vidim-piainana sy ny zavatra ilain'ny vahoaka andavan’andro, ary very fanahy mbola velona ny sarambabem-bahoaka eo anatrehan ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny haintany saika manerana ny nosy. Koa dia miantso ny fitondrana mahefa ny SECES mba hitondra vahaolana maharitra ny amin' izany, hoy hatrany ny fanambarana.
Toky R sy J Mirija
Tahirin-tsary
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT