MANDRITSARA

Mpianatra miisa 3 tsy afaka niatrika Bakalorea


  • Talata 23 Jolay 2024

Mpianatra miisa 3 tao Mandritsara nanomboka omaly Alatsinainy 22 Jolay no

tsy afaka niatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Raha araka ny fantatra dia tsy tafiditra ao anatin’ny lisitry ny ankizy hanala fanadinana no sady tsy nahazo taratasy fiantsoana ihany koa izy ireo. Nahatsapa ho voafitaka ireo mpianatra ireo noho izany. Raha araka ny fantatra dia tompon'andraikitra iray eo anivon'ny Lisea Miadada Mandritsara no nanome toky fa tsy maintsy manao fanadinana ireo ankizy ireo. Voalaza fa efa nandoavana vola manodidina ny 60 000 Ariary sy 70 000 Ariary ary 90 000 Ariary avy amin’ny Ray aman-dReniny mantsy ireo mpiadina ireo ka takian'ireto farany ny hamerenana azy. Nilaza moa io tompon'andraikitra eo anivon'ny lisea io rehefa namaly fa nisy tokoa ny fitakiana vola saingy tsy izy no naka azy fa ny Chef de centre EPS Bakalorea tao Mandritsara izay efa lasa nody any Mahajanga. Nambarany koa teo an-danin’izat fa efa tara ny fikarakaràna ny antontan-taratasin'ireo mpianatra 3 mianadahy ireo ka izay no tsy nahatafiditra azy ireo tao anatin'ny lisitr'ireo mpanala fanadinana nanomboka omaly.
Pati
Legende : Ranomaso tahaka izao ny an’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT