Fampianarana

Mananjary Efa tafakatra amin’ny arabe ny ranomasina omaly


  • Alarobia 23 Febroary 2022

Miaina anaty fahasahiranana tanteraka ireo mponina ao anatin’ny distrikan’i Mananjary hatramin’ny omaly folakandro.

Efa tafakatra eny amin’ny arabe mantsy ny ranomasina vokatry ny fisamboaravoarany ateraky ny fandalovan’ilay rivo-doza Emnati. Tapaka daholo ihany koa ny jiro sy ny rano raha mianjerazera eraky ny arabe ny hazo. Vokany, traboina amina toerana maro no efa nafindra eny anivon’ny fiangonana sy tranom-panjakana vitsivitsy ary ireo tranon’olon-tsotra tsara sitrapo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia tsy neken’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny hampiasana iray manontolo ireo sekolim-panjakana rehetra any an-toerana sao tsy misy hianaran’ny mpianatra rehefa tonga ny fotoana hiverenany any an-tsekoly. Miaina anaty tebiteby tanteraka araka izany ireo mponina. Ho an’ny distrikan’i Mahanoro manokana dia fantatra fa efa tafakatra 2.000 ny isan’ireo traboina hatramin’ny omaly hariva vokatry ny ora-mikija any an-toerana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT