Fampianarana

Manampahaizana momba ny harena ankibon’ny tany Tsy ampy be dia be, hoy ny tale jeneralin’ny ISGIE


  • Zoma 14 Desambra 2018

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny IKM Antsahavola omaly ireo mpianatra mpikaroka momba ny harena ankibon’ny tany miisa 27 mianadahy avy eo anivon’ny sekoly ambony ISGIE.

 

 

 

 Araka ny fanazavan’ny tale jeneraly, Fidy Ny Avo Ravokatra, karazany  3 ny lalam-piofanana nitsinjarana azy ireo dia ny « Geologie et mine », « batiment et travaux publique », « environnement et gestion des ressources naturelles ».  Ny harena ankibon’ny tany, ny fotodrafitrasa ary ny resaka tontolo iainana no mbola mila tekinisianina sy injeniera malagasy marobe hiantsehatra sy hiasa ao anatiny. Antony dia mba tsy hobodoin’ny vahiny ny asa tokony ho an’ny malagasy. Faharoa, raha tiana ny hifehy ireo sehatra ireo dia mila mampiofana tanora Malagasy marobe hiantsehatra aminy. Mbola malalaka ny tsenan’ny asa na afaka 10 taona aza saingy ny olana dia tsy fantatry ny raiamandrenin’ireo manana bakalorea ny fisian’ireo lalam-piofanana ireo. Ny politikan-tseraseram-panjakana mikasika azy io koa misy lesoka be. Ny 80%-n’ny mpianatra tato aminay anefa dia nahita sehatr’asa avy hatrany na fanjakana na tsy miankina. Anisan’ny vahaolana amin’ny olan’ny harena ankibon’ny tany eto amintsika rahateo ny fampitomboana ny isan’ireo teknisianina momba io satria ity ivontoeram-pampianarana ity izao 15 taona no nisiany saingy manodidina ny 500 monja ireo manampahaizana efa navoakany, hoy hatrany ny tale jeneraly.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT