MANAM-PAHAIZANA MALAGASY

Tsy manana afa-tsy 2, 9 % isika eto Madagasikara


  • Zoma 22 Aogositra 2025

Tsy manana manam-pahaizana afa-tsy 2, 9 ,% isika eto Madagasikara

raha araka ny tatitry ny UNESCO. Ireo nahazo ny mari-pahaizana licence no miakatra no voakasik'izany, eo anelanelan'ny 25 ka hatramin'ny 34 taona. Aty Afrika manokana dia tokony ho 12 % ny tahan'ireo manam-pahaizana tokony hananan'ny Firenena iray raha ny fenitra no jerena ary tafakatra hatrany amin'ny 40% mihitsy izany manerantany, raha araka ny fanazavan'Atoa Rakoto David, tale jeneralin' ny sekoly ambony ESDES na ny Ecole Supérieur de développement économique et social. Latsaka ambanibe ny tahan'ireo manam-pahaizana eto Madagasikara manoloana izany, antony nanosika ny ESDES hanangana ilay laboratoire de recherche Leader , izay nampahafantarina ny mpanao gazety omaly. Tanjon'ny sekoly ny hahafahan'ireo mpianatra ao aminy manao publication Internationale momba ny mari-pahaizana hananany raha vantany vao mahazo ny mari-pahaizana licence izy ireo ka ho tafiditra ao anatin'ny salan'isan'ireo manam-pahaizana eto Madagasikara no sady ho eken'ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa ny diplaoma hananany. Tafiditra ao anatin'ny tsangambato faha-10 taona nijoroan'ny sekoly moa izao fananganana laboratoara izao. Ny lalam-piofanana ekonomia, gestion, agro ary ny travail social no hatolotr'izy ireo ho an'ny mpianatra ka ankoatra ny eto Antananarivo dia efa ahitana azy ireo koa ny ao Ambositra sy Antsirabe.
Pati
Légende : Manjaka Rakoto David, an-kavia sy Rtoa Hanitriniaina eo an-kavanana samy tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny ESDES !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT