Manam-pahaizana Malagasy momba ny Astronomia sy Astrofizika

1 amin’ny 30 hatreto no voaray hiasa eto Madagasikara


  • Alakamisy 14 Desambra 2023

Natomboka omaly ary maharitra hateloana etsy Ambaranjana ny kaonferansy mikasika

ny atao hoe Astronomia sy Astrofizika. Ireo manam-pahaizana momba izany eto Madagasikara sy avy atsy Afrika atsimo moa no mandray anjara amin’izy ity, raha ny fanazavan’ny Profesora Minoson Rakotomalala, tompon’antoka tamin’ny fananganana ireto fiofanana ireto eto Madagasikara. Haikintana na koa hoe fijerena ny tsy taka-maso izay tsy azo jerena amina fitaovana tsotra fa amin’ny alalan’ny antsoina hoe “radioastronomie” ihany no azo anaovana izany, hoy izy. Ny taona 2006 isika no niditra tamina tetikasa lehibe antsoina hoe SKA Project, izay natao hanamboarana “télescope” goavambe na “radiotélescope” goavambe miaraka amina firenena afrikanina miisa 8 dia isany i Madagasikara sy Afrika atsimo fa misy koa avy amin’ireo kaontinanta hafa toa an’i Aostralia sy firenen-dehibe hafa. Ny fijerena ireo efa vita, ny atao ankehitriny ary amin’ny hoavy no atao. Misy noho izany kaonferansa lehibe maro ho ataon’ireo mpianatra eto Madagasikara sy any ivelany. Isan’ny zava-bita ny nananganana ny “Master en Astronomie et Astrophysique” na ny fiofanana ahazoana ny diplaoma Master amin’ny Astronomia sy Astrofizika. Tsy mahavita Doctorat eto ireo mpianatra ireo fa tsy maintsy any ivelany ka miisa 30 izao ireo mpianatra manana PHD malagasy miasa any ivelany. Misy mpampianatra any Etazonia dia misy any Afrika atsimo sy ireo tany miteny anglisy dia misy koa lasa any Frantsa sy Angletera izay andrasana ny fiverenany eto. Noho ny tsy fananan’ny fanjakana malagasy vola moa dia tsy afaka manao “recrutement” na fandraisana ho mpiasa eto isika fa dia 1 amin’ny 30 hatreto no voaray hiasa eto Madagasikara nanomboka ny taona 2017 noho nankaty, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

  • Jean Pierre Rakotoniaina
  • Zoma 27 Martsa 2026

«Tsy asa fampianarana fotsiny ny fanabeazana»

Hijery ny tohiny
FTT