Manaitra ny rehetra ny AJEEM

« Marary ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara »


  • Zoma 30 Aogositra 2024

Marary ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara hoy Jen Laoshi, Tale jeneraly sy nanangana ny

Association des Jeunes Enseignants et Etudiants de Madagascar” na AJEEM. Ilaina fanovana ny rafim-panabeazana eto amintsika hoy izy raha te hampandroso ny tanora sy ny firenena. Dingana iray ho entin’ny tanora miatrika ny fiainana hoavy ny bakalorea. Sakana mampihena ny faharisian’izy ireo hanohy fianarana anefa ny tsy fahafehezana ny teny vahiny, tsy fahalalana ireo sehatra asa afaka hirisoana sy ny fianarana mifanaraka amin’izany,... Isany lalana vaovao tsy resahana betsaka ohatra ny tontolon’ny “maritime” izay azon’ny tanora Malagasy hironana soamantsara raha ny fanazavana. Tato anatin’ny 20 taona mahery dia tsy nitsahatra nanohana maimaimpoana tanora maro ny AJEEM amin’ny alalan’ny “Salon de l’orientation et guide des études supérieures” karakarainy. Tohana amin’ny lafiny maro izay entin’izy ireo mamolavola ny ny tanora hanana vatsi-tsaina sy fahaizana ary fahalalana entin’ny miatrika ny fiainany. Manomboka rahapitso hatramin’ny sabotsy dia mivondrona etsy amin’ny Le Pave Antaninarenina ny ekipan’ny AJEEM sy ireo ivo-toeram-pampianarana maro vonona hanome tosika, toro-lalana ho an’ireo tanora Malagasy.
LALAINA RAV 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT