Fampianarana

Mampianatra mivondrona ao amin’ny UPCM « Avoahay haingana ny datim-panadinana »


  • Alatsinainy 29 Jona 2020

Mangataka ny hamoahana haingana ny datin’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC ny Union des professeurs certifiés de Madagascar na ny UPCM.

 

 

 

Diso mitaintaina loatra ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy ny mpianatra hoy izy ireo raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ny sabotsy lasa teo. Toraka izany koa ny fanapahan-kevitra tokony horaisina amin’ireo kilasy tsy hiatrika ny fanadinam-panjakana. Takian’izy ireo ihany koa ny hijeren’ny Fitondram-panjakana ny vacation-n’ireo mpampianatra mbola tsy voaloa mba hampirindra araka ny tokony ho izy izany fanadinam-panjakana izany. Nomarihin’ireto mpanabe mivondrona ao amin’ny UPCM ireo moa fa tokony ho teknisianin’ny fanabeazana, mahalala tsara ny olana sedrain’ny fanabeazana eto amintsika ihany koa no hapetraka ho ministra hitantanana ity ministera iray ity. Marihina moa fa efa manana drafi-panarenana hatolotra ny Fitondram-panjakana hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto amintsika ny UPCM. Tanjon’izy ireo ny hamerenana ny hasin’ny fanabeazana eto amintsika.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT