Mampiaka-peo ny mpampianatra maro ao Avaradrano

«Efa tena tafahoatra ny fanaparam-pahefan’ny Chef CISCO…»


  • Alatsinainy 13 Janoary 2025

Aim-pirenena ny fanabeazana ary masina ny asan’ny mpampianatra,

saingy mifanohitra amin’izany hanaovana ireo mpanabe ao amin’ny CISCO (Circonscription Scolaire) Antananarivo Avaradrano, raha ny fitarainan’izy bireo. Misy, hoy izy ireo, ny ezaka ho amin’ny fampandrosoana ny fanabeazana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena satria ny fianarana no lova tsara indrindra, kanefa mifanohitra amin’izany ny ataon’ny Chef CISO iray, izay ambaran’izy ireo fa manome endrika ratsy ny Minisitera Foibe. Velon-taraina noho ny ambaran’izy ireo fa tsindry ataon’io Sefo Cisco ireo mpanabe, ka anisan’ny nitondra fitarainana ny mpampianatra, Tale amina EPP, CEG, Sefo ZAP, hatramina « Proviseur » aza. Tondroin’izy ireo ho manapatra fahefana, mandrahona, manao herisetra ara-tsaina,… Feno ny kapoaka manoloana ny fanamparam-pahefana mianjady aminay, hoy ireo mpiasam-panjakana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana izay nisafidy ny hamaky bantsilana ny raharaha, mba hanairana ny rafitra isan’ambaratongany. « Vao tsy manaraka ny tenin’ity Sefo Cisco ity dia iharan’ny fandrahonana famindrana toerana. Vitany mihitsy ny mihantsy ady eo am-pananganana saina sy mivazavaza eny imasom-bahoaka. Manala baraka ireo mpampianatra, ary mihantsy hanao « kick boxing » mihitsy », hoy hatrany ny fanazavana. Manginy fotsiny ny fampisaraham-bazana ireo mpiasa eo anivon’Avaradrano, amin’ny alalan’ny fisiana fikambanana manavakavaka. Koa rehefa tsy « akamakama » dia tsy tafiditra ary tsy omena fanendrena mihitsy na dia efa niasa ela raha tsy « namanamana », hoy hatrany ireo mahatsiaro ho lasibatra. Mpampianatra vitsivitsy no nangataka fihaonana tamin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ka nandrahonana ilay Talena EPP iray, ho tsy mahafehy ny asany sy ny olom-peheziny, raha ny fanampim-baovao. Misy sefo ZAP iray no manome loha io Sefo Cisco io, ka ireo tsy mitovy firehana ara-politika dia enjehina avokoa, raha ny filazan’ireo mpampianatra. Tsy voajery intsony, araka izany, ny resaka teknika fa lasa tafiditra tanteraka amin’ny lafiny politika ny fanabeazana, izay manimba tanteraka ny hoavin’ny fanabeazana, hoy ny fanamarihana. Manao antso avo ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, araka izany, ireto mpanabe sy mpiasa eo anivon’ny distrikan’Avaradrano ireto, mba hijery manokana izao olana izao, satria amin’izy ireo dia poizina ho an’ny fanabeazana ny toe-javatra tahaka izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT