Fampianarana

Mampanahy ny tohin’ny Bakalorea Nitombo 59 ny voasambotra, 19 any am-ponja


  • Talata 15 Oktobra 2019

Tafiakatra 59 ny olona nosamborina tamin’ny raharaha bakalorea. 19 notanana vonjimaika any am-ponja, ary 7 no arahin’ny fitsarana maso akaiky na “sous contrôle judiciaire”,

raha ny fanomezam-baovaon’ny kaomandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Andrianjanaka Njatoharisoa omaly. Mbola mizotra tanteraka ny fanadihadiana amin’izao fotoana. Ireo mpikirakira ny solosaina teny amin’ny toeram-pitokana-monina fanaovana ny laza adina dia anisan’ny nosamborina. Nahatratra 11 izy ireo. Na ny mpandrindra ankapobeny aza voarohirohy ao anatin’ny raharaha. Mpampianatra sy mpikirakira solosaina notendren’ny minisitera ho mpitoka-monina nanomana ny laza adina izy ireo, raha ny nambaran’ny zandarimariam-pirenena hatrany. Tsy nahafehy ny olony izany ny minisitera tarihin’ny minisitra Blanche Nirina Richard, izay efa nilaza fa tsy hametra-pialana satria fitsoahana andraikitra izany. Mba nanao ahoana ihany koa ny tany amin’ny fanontana ny laza adina ? Nisy voarohirohy ve ? Raha ny zava-nisy tamin’ny tambajotra facebook, dia laza adina efa voatonta no nalaina sary naparitaka. Ny andraikitra  iantsorohan’ny minisitera dia ny fizoran’ny bakalorea araka ny tokony ho izy, saingy tsy vitany sy tsy voafehiny. Nanamarika kosa ny zandary fa tranga efa nisy tany aloha toy ny tamin’ny 2014 sy 2017 ny fiparitahan’ny laza adina fa tamin’ity fitondram-panjakana ity no tapa-kevitra hanenjika fa tsy avela ho vitavita ho azy fotsiny. Tsy tahaka ireny tamin’ity anefa ny fisehony, ary tsy nanakorontana ny fanadinana saika nanerana ny Nosy tamin’izany. Ny tranga tahaka ireny dia famonoana ny zaza Malagasy. Na iza na iza tsy misy maharo amin’io fa fandikan-dalàna io, hoy izy. Adihevitra nanomboka omaly ihany koa ny momba ireo niatrika ny bakalorea teknika satria efa mandeha ny resaka fitakiana fa tokony hisy « 2ème session » ihany koa ny azy ireo. Mampanahy tanteraka ny fiomanana amin’io ho an’ireo avy amin’ny sokajy ankapobeny satria fohy dia fohy ny fotoana. Taloha, isaky ny ofisin’ny bakalorea no manao ny taratasim-panadinana ary ny minisitera no manomana ny laza adina. Nakambana aty amin’ny minisitera avokoa izany amin’izao. Ho tratra ara-potoana ve ny fitsinjarana ny taratasim-panadinana sy ny laza adina ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT