Madajeune_Salon des étudiants »

Fahombiazana tanteraka ny tao Toamasina


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2024

nokarakarainy Fahombiazana tanteraka no azon’ ny Madajeune tamin’ilay Salon andiany faha-7 natao tao Soavita

Toamasina ny Alakamisy22 sy ny Zoma 23 Aogositra lasa teo. Ny Zoma harivabe teo mantsy vao nivaly ny Bakalorea tany an-toerana saingy tena nahasarika mpitsidika marobe izany. Mpandray anjara avy amina oniversite tsy miankina misa 30 avy ao Toamasina sy Antananarivo ary Fianarantsoa no nandray anjara tamin’izany. Anisan'izay voasarika sy liana koa ireo tanora efa mianatra amin'ireny oniversite ireny ihany saingy efa mamarana ny misy azy ka mitady indray izay toerana azo hanohizana sy hanatevenana izay efa nataony. Nampiavaka izany ny nanoloran’ny mpikarakara "goodies madajeune" nisy stylos sy bloc notes ary kaopy ireo mpitsidika miisa 100 tonga voalohany tamin'ny fisokafan'ilay salon. Nisy koa ireo tanora telo voasarika tamin'ny fotoam-pamaranana ka nisitraka toy izay. Anisan'ny mahasarika ny tanora kokoa ny fianarana momba ny fitantanana, sy ny resaka fizahantan tamin’ny ankapobeny. Fa teo koa ny momba ny fahasalamana ho an'ireo te ho mpampivelona sy ho mpitsabo mpanampy. Fiaraha-miasa feno tamin'ny Minisiteran'ny fampianarana ambony sy tohanan'ny BEATI Université ao Toamasina moa no nahafahana nanatontosa izany.
Pati
Legende : Nahavory olona marobe tahaka izao ilay Salon nokarakarain’ny Madajeune tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT