Fampianarana

Madagasikara Tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny 20% n’ny olon-dehibe


  • Talata 22 Martsa 2022

Mbola mahatratra 20% ny tahan’ireo olon-dehibe tsy mahay mamaky teny sy manoratra manerana ny Nosy raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

 Olona tsy nandia fianarana fony fahakeliny mihitsy ny ankamaroan’izy ireo, tranga izay entiny miaina mandraka ankehitriny. Mba hahafahana miady amin’izay habadoana mihatra amin’ny olon-dehibe eto amintsika izay ary dia misy hatrany ny fiaraha-miasan’ity ministera ity amin’ireo karazana fikambanana tsy miankina maro samihafa. Vao ny faran’ny herinandro teo ohatra dia olon-dehibe 22 mianadahy no navoaka tamim-pomba ofisialy tany Imerintsiatosika rehefa niofana nandritra ny herinandro maromaro. Vokatry ny ezaka nataon’ny fikambanana tsy miankina Vony Maitso no angady nananana sy vy nahitana izany. Ankoatra ny fampianarana olon-dehibe tahaka izao moa dia fantatra fa hanao ezaka manokana ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fampitomboana hatrany ny tahan’ireo zaza Malagasy miditra an-tsekoly indrindra fa ny eny anivon’ny sekolim-panjakana EPP.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT