Fampianarana

Madagasikara Anisan’ireo manana oniversite sangany aty Afrika


  • Alarobia 24 Aogositra 2022

Na dia voasokajy ho ao anatin’ireo firenena an-dalam-pandrosoana aza isika eto Madagasikara dia fantatra fa mba manana ny maha-izy azy ihany eo amin’ny sehatry ny fampianarana.

Raha araka ny fantatra mantsy dia anisan’ireo firenena manana oniversite sangany aty Afrika isika. Anisan’ny mitazona ny laharana fahafolo mendrika indrindra aty Afrika ohatra ny sekoly ambony tsy miankina ISPM eny Antsobolo, vaovao nampahafantarina ny mpanao gazety omaly. Lalana nahazoana izany vokatra izany hoy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ity sekoly ity ny fisian’ny voka-pikarohana hataon’ny mpianatra isan-taona izany misongadina hatrany. Ohatra tamin’izany ny nahazoan’izy ireo ny laharana voalohany tamin’ny alalan’ny fikarohana ireo fitaovam-pamokarana manaraka ny toetr’andro izay naranty sy nampahafantarina teny amin’ny tsenabe FIER-MADA teny izay hanampy tosika be dia be tokoa ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika tokoa. Raha fehezina dia mamolavola mpianatra ho mpandraharaha ny sekoly ambony tsy miankina ISPM. Tsy hiandry asam-panjakana fa afaka hamorona asa ho an’ny tenany ny mpianatra iray no sady hanampy ny mpiara-belona ihany koa. Lalam-piofanana 6 moa no misy ao aminy, misandrahaka amina departemanta miisa 18. Marihina fa mandray anjara amin’ilay Salon des etudiants et de l’emploie tanterahina nanomboka omaly etsy amin’ny kianjan’i Barea ity sekoly ambony iray ity. Am-polony ireo sekoly ambony mandray anjara amin’izany, izay marihina fa samy manana ny maha-izy azy avokoa. Ny Publika kosa no mikarakara ny hetsika.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT