Madagascar School Fair

Nahaliana olona tokoa ny IT College


  • Alarobia 24 Jolay 2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Tana Water Front ny IT College ny 20 Jolay lasa teo.Maro ireo tonga teo amin'ny tranoeva naka fanampim-baovao sy ny tsara ho fantatra. Ny IT College moa dia lisea voalohany momba ny Informatika eto Madagasikara . Miankina tanteraka amin'ny IT University ny Lisea izany hoe raha vao afaka ny fanadinana BACC S ao amin ny IT College ilay mpianatra dia mifindra avy hatrany ao amin'ny IT University. Manaraka ny fenitra ara-teknolojika tanteraka ny IT College anisan’ izany ny maha CAMPUS 100% SOLAIRE azy izany hoe tsy hita ao an-dakilasy izany fahatapahan-jiro izany rehefa amin ny andro fianarana . ankoatran’izay , mahazo solosaina 1 isaky ny mpianatra ihany koa hianarana ao am-pianarana ary misy ny "connexion illimitée" izay ahafahan’izy ireo mianatra am-pilaminana Hanomboka ny 9 Septembra 2024 ho avy izao ny taom-pianarana vaovao ary efa mandeha ny fisoratana anarana eny amin'ny ITC Andoharanofotsy, Enceinte IT University na miantso mivantana ny laharana 037 41 300 21/038 13 300 21 / 033 41 300 21.
´ RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT