Mpampianatra 46 amin’ireo 165 isa misy ao an-toerana no tonga nampianatra tetsy amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha (LMA), omaly.
Saika tonga daholo kosa anefa ny mpianatra, antony tsy maintsy nanaovana fandaminana manokana ka nitsinjarana ny mpianatra isaky ny kilasy misy azy avy, natrehin’ny mpitandro ny filaminana, indrindra fa ireo ao amin’ny taona famaranana hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalôrea. Nomena fandaharam-potoana manokana ireto farany, araka ny fanazavan’ny “proviseur”-n’ny lisea, Rtoa Razafindrazaka Nirina. Nampidirina ao anatin’io fandaharam-potoana io avokoa ny taranja rehetra na dia nihena ho ora roa amin’ny mahazatra aza ny fotoana ahafahan’ireo mpianatra mianatra. Ho an’ireo ankizy mpianatra ao amin’ny taona faha-10 sy faha-11 kosa dia taranja miisa telo ihany aloha no azo omena azy ireo hatreto, dia ny tantara sy jeôgrafia, ny SVT ary ny matematika. Anio maraina indray izy ireo vao handray fandaharam-potoana vaovao, araka ny fanadihadiana natao. Nilamina ny fampidirana an-tsekoly an’ireo mpianatry ny LMA, tamin’ny ankapobeny. Nisy ihany ireo mpampianatra mitokona tonga teny an-toerana, saingy samy nilaza izy ireo fa manaja ny safidin’ireo namany, izay efa vonona ny hampianatra. Toraka izany koa ireo ray aman-dreny izay nizara roa ihany koa ka nisy ireo nankasitraka ny fampidirana an-janany an-tsekoly fa nisy ireo nanohana ireo mpampianatra mitokona. Faly sahirana kosa ireo mpianatra tamin’ny ankapobeny. Faly fa hiverina hianatra, saingy sahirana ihany koa noho ny fitaintainana ny amin’ny mety ho voka-panadinana. Efa diso lava loatra mantsy, hoy izy ireo ilay telo volana tsy nianarana, indrindra fa ho an’ireo tsy mba nanana fahafahana nanaraka “cours”.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.