Fampianarana

Liseam-panjakana Mpampianatra 1000 hahazo fiofanana


  • Alarobia 06 Aprily 2022

Vita sonia omaly 05 aprily tao amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Anosy ny Tetikasa « PERFORM», mifototra amin’ny fanomezana fampiofanana eny amin’ny Liseam-panjakana.

 Mpampianatra miisa 1000 amin’ny ny taranja matematika, fizika, frantsay ary informatika eny anivon’ny Liseam-panjakana amin’ny faritra miisa 13 no hisitraka izany, dia any Diana, Sava, Itasy, Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Fitovinany, Anosy, Atsimo Andrefana ary Ihorombe. Ny Vondrona Eoropeanina no mamatsy vola ny tetikasa, ary ny AUF (Agence Universitaire de la Francophone) ary ny AUF kosa no mandrindra izany. Ny sekoly ambony 4 (ENS) eto Antananarivo, Antsiranana, Fianarantsoa ary Toliara no hiandraikitra mivantana ny fanomezana ny fampiofanana ireo mpampianatra voakasika, raha ny fanazavana. Ireo mpampianatra tsy mbola nisitraka fampiofanana pedagojika ary ireo any amin’ny toerana lavitra sy saro-dalana any ambanivohitra no hatao laharam-pahamehana hisitraka io fampiofanana io, araka ny fanamarihana. Hiroso avy hatrany amin’ny fanomanana ny fahafahana misoratra anarana amin’ity fampiofanana ity ny eto anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hivoaka tsy ho ela araka izany ny andinindininy ary amin’ny alalan’ny fampitain-davitra no hahafahana misoratra anarana, hoy hatrany ny fanazavana. Nanoloana izany fiaraha-miasa izany dia nisaotra sy nankasitraka ny tompon’andraikitry ny tetikasa PERFORM ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, izay naneho fa ny tetikasa toy izao dia mifanindran-dalana amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha-4 dia ny fampianarana sy ny fanabeazana ho an’ny Malagasy rehetra, hoy ny fampitam-baovao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT