LISEA VAOVAO AO

AMBAVAHADITOKANA Handraisana mpianatra amin’ny taom-pianarana vaovao


  • Talata 17 Jona 2025

Efa ny 70%-n’ny asa fanamboarana ilay lisea vaovao ao amin’ny Fokontany Amboatavo,

kaominina Ambavahaditokana, distrikan’Atsimondrano ankehitriny no vita. Handraisana mpianatra amin’ny taom-pianarana vaovao 2025-2026 izy io raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Ratoetrarinanja Jean Louis raha hiandrasany fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana kosa ny fampitaovana ny sekoly sy ireo mpampianatra hiasa ao amin’izany lisea izany. Raha tsiahivina kely dia tamin’ny alalan’ny vola madiodion’ny kaominina no nanaovana ny asa raha vatan-dehilahy ao an-tanana ihany no manatanteraka izany amin’ny alalan’ny asa tana-maro miampy ny tolo-tanana sy ny valin-tanana. Ahitana efitrano fianarana miisa 6 izy io ka ny telo ao ambony raha ao ambany kosa ny telo ambiny izay manana habe 50 m2 isaky ny efitrano, miorina amin’ny tany manana habe 17 ara. Tsiahivina fa mbola nividy am-pahantany eo akaiky ihany koa ny kaominina hisian’ny toerana hipetrahan’ny fiara hiditra ao amin’ny sekoly. Namboarin’izy ireo ihany koa ny lalana mirefy 600 metatra izay natao rarivato mba hahafahan’ny mpianatra mivezivezy. Tanjona ny hanalana fahasahiranana ny Ray aman-dReny amin’ny fampianaran-janaka manenjika liseam-panjakana any an-drenivohitra…. Mikasika ny fankalazana ny fetin’ny 26 Jona manokana dia zazalahy kely miisa 80 ny faran’ny herinandro teo no natao didim-poitra maimaim-poana tao amin’ity kaominina iray ity.
Pati
Legende : Tamin’ny fotoana nanombohan’ny asa tamin’ny volana May !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT