LISEA TSY MIANKINA LE NID ADO-BETAFO

Feno 55 taona, hanangana laboratoara roa


  • Zoma 07 Jona 2024

Hankalaza ny faha 55 taona niorenany ny lisea tsy miankina le Nid Ado ao Betafo.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia nandalo fotoan-tsarotra. Nanofa trano izy ireo teo am-piandohana, raha araka ny fanazavan-dRahantasoananahary Marie Julienne, mpanorina ny sekoly. Ankehitriny vao nahavita fotodrafitrasa manokana ny lisea raha tamin’ny taona 1971 no niorina. Garderie na fitaizana ireo kilonga madinika no nanombohany izany. Nisokatra ny kolejy ny taona 2004 raha narahin’ny lisea ny taona 2020. Miisa 25 ireo mpampianatra raikitra ao amin’izy ireo ankehitriny raha miisa 380 kosa ny mpianatra. Hanamarika ny taon-jaobiliny ny sekoly noho izany ka hikarakara fanolorana medaly ny mpanorina ho an’ireo tena nahavitabe. Hisy ihany koa ny fananganana laboratoara siantifika sy laboratoara momba ny teny vahiny. Izany no hatao dia ho fanampiana ireo mpianatra handalina kokoa hatrany ny fampianarana omena azy ireo.
Pati
Legende : Ho afa-pahasahiranana amin’izay ny mpianatra manomboka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT