Fampianarana

Lisea teknika Antsirabe Mangotraka ny grevy


  • Zoma 13 Jolay 2018

Nidina an-dalambe indray ny mpampianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra avy tamin’ny Lisea Teknika sy ireo ivon-toeram-panofanana ao Vakinankaratra ny marainan’ny alakamisy 12 Jolay 2018 lasa teo.

 Nialoha io dia nisy ny fivoriambe niarahan’ireo mpampianatra sy ny mpanabe ary ireo ray aman-dreny nanatontosa ny tolakandron’ny talata lasa teo, mba hijerena miaraka ny tombontsoan’ny mpampianatra ireo. Tamin’izay no nanapahana fa hanohana ny hetsiky ny mpampianatra ireo ray aman-dreny. Nifanindry indrindra tamin’ny fandalovan’ny minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa tao Antsirabe ny hetsika ka re fa saika hihaona tamin’ireo talen’ny sakoly teknika manerana an’i Vakinankaratra ramatoa minisitra saingy tsy tontosa tamin’ny ora farany satria efa niandry azy teo amin’ny biraom-paritry ny fampianarana teknika ihany koa ireo ray aman-dreny sy mpampianatra tamin’ny alalan’ny sorabaventy. Azon’ireo mpampianatra antoka fa ny talem-paritry ny fampianarana ao Vakinankaratra no namily lalana ny minisitra tsy hitsidika ny biraom-paritra, izay efa niandrasan’ireo tale azy.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fisakafoana an-tsekoly
  • Zoma 19 Jona 2026

Modely mahomby erantany ny any Korea

  • Ny sekoly nanalana CEPE
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy misy dabilio

  • Fampianarana teny Anglisy
  • Alakamisy 18 Jona 2026

Raikitra ny fihaonambe

  • CEPE 2026
  • Alarobia 17 Jona 2026

Nanampy betsaka ireo

  • Faritra Analamanga
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Mpiadina CEPE 565 notolorana fitaovana

  • CEPE 2026
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nitombo 2,11% ny taham-pandraisana anjara

Hijery ny tohiny
FTT