Fampianarana

Lisea Saint Michel Itaosy Mankalaza ny faha-20 taona nijoroany


  • Alakamisy 17 Mey 2018

Anisan’ny sekolim-pinoana iray manabe ankizy eny Itaosy Atsimondrano eny ny Lisea Katolika Saint Michel Itaosy.

Feno 20 taona ny sekoly ankehitriny ary misy mpianatra hatrany amin’ny 1.380 isa. Filaharam-be namakivaky ny tanàna notanterahin’ny mpianatra no nanokafana ny fankalazana ny alatsinainy lasa teo, hetsika hitohy mandritra ity herinandro ity. Nambaran’ny mompera Michael izay tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny lisea fa manana olana amin’ny fanabeazana ihany izy ireo. Noho ilay fiainana ankehitriny mihitsy no mahatonga izany, hoy izy, toy ny firoboroboan’ny teknolojia sy ny fifandraisana, hany ka zary miova tsy fidiny koa ny toe-tsain’ny ankizy. Tsy mahay mihaino intsony ny ankizy fa variana amin’ny fanaovana facebook ka mamorona tontolo ho azy manokana. Raha tsiahivina, tamin’ny taona 1994 no napetraka ny vato fototr’ity lisea iray ity. Ny taona 1997 izy no nanomboka nandray mpianatra ka ireo ankizy avy ao amin’ny kolejy masindahy misely ihany no nanatevin-daharana tao. Ankehitriny efa manana oniversite ireo kolejy sy lisea masindahy misely ireo izay hankalaza ny faha-15 taona niorenany tsy ho ela ihany koa. Lalao ara-panatanjahantena nandraisan’ny mpianatra anjara no nanohizana ny hetsika omaly. Fotoam-pivavahana lehibe entina isaorana sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra kosa no hanohizana ny hetsika anio alakamisy 17 mey arahin’ny fampahafantarana ny tantaran’ny sekoly sy fankasitrahana ireo mpampianatra sy mpandraharaha efa nandeha nisotro ronono.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT