Fampianarana

Lisea Rabemananjara Toamasina Nitokona sy nidina an-dalambe ireo mpianatra


  • Sabotsy 16 Jona 2018

“Lycée en Grève”, no sorabaventy netin’ireo mpianatra nitety tanàna omaly maraina, nilazan’izy ireo ny heviny sy ny fitakiany ny mba hiverenan’ny fampianarana azy ireo amin’izay,

 

 taorian’ny iray volana sy tapany tsy nisian’izany sy ny tahotra izy ireo amin’ny hisian’ny taona fotsy ka hahavery herintaona azy ireo indray amin’ny fianarany. Talohan’izao fidinana an-dalambe nanehoan’ireto mpianatry ny lisea  J. Rabemananjara ny hatezerany izao, dia nisy ny fihaonambe nataon’izy ireo teny amin’ny sekoly ao Salazamay Atsimo, tahaka ny fahatongavan’izy ireo isan’andro an-tsekoly amin’ny 7ora maraina na tsy misy fianarana mandeha aza, izy ireo. Taorian’ny fanambaran’izy ireo tamin’ny tompon’andraikitry ny sekoly sy ireo mpampianatra tonga eny an-tsekoly fa tsy mandray ny fampianarana azy ireo noho ny fitokonany amin’ny fitakiany, dia izao niroso tamin’ny diabe nihazo ny biraon’ny talem-paritra atsinanana (Dren) izy ireo nitondra ny fitakiany sy ny fangatahany ary ny alahelony ireto mpianatra. Samy nomen’izy ireo tsiny avokoa na ny teo anivon’ny Dren mitazam-potsiny na ireo mpampianatra tsy mijery ny hoavin’izy ireo na ny fanjakana foibe sy ny minisitera amin’ny fanaovana be marenina sy fanaovana maso be tsy mahita ny olana sedrain’izy ireo amin’ny fiatrehana ny hoaviny ary amin’ny famaliana ny fitakian’ireo mpampianatra azy ireo hiverenan’ny fampianarana. Milaza ny hanao hetsika goavana izy ireo raha sanatria ka tonga amin’ny taona fotsy izao raharaha izao; ary mbola nambaran’izy ireo fa hitohy ny tolon’izy ireo ny herinandro vaovao izao.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

  • Fanadinam-panjakana BEPC
  • Talata 15 Septambra 2026

Ho foana ny «Option B »,

  • Coins Jeunes » 4
  • Talata 15 Septambra 2026

eo anivon’ny METFP

Hijery ny tohiny
FTT