Fampianarana

Lisea Nanisana Mbola tsy nisy nampianatra ny mpianatra omaly


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

Nijorojoro fotsiny teny ivelan’ny sekoly ireo mpianatry ny lisea Nanisana omaly.

Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia tsy mbola nisy nety nandray azy ireo ireo mpampianatra miasa ao amin’ity lisea iray ity noho ny mbola tsy nahazoany ny tambin-karamany nanomboka tamin’ny taona 2021. Raha tsiahivina dia efa nisy ny fitokonana notanterahin’ireto mpampianatra ireto tamin’ny herinandro. Mbola nitohy tamin’ity herinandro ity izany, antony nampitaraina fatratra ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra indrindra fa ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Nahare ny vaovao ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny araka izany ka nisy ny fivoriana maika notanterahin’izy ireo niaraka tamin’ireo mpampianatra ireo omaly. Miisa 120 ireto farany izay nikaon-doha niaraka tamin’ny solontenan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Fantatra taorian’izany ary fa hivoaka manomboka anio alakamisy 19 janoary ny tambin-karama’ireto mpampianatra eo anivon’ny lisea Nanisana ireto. Mbola tsy fantatra kosa anefa na hiverina hampianatra avy hatrany izy ireo anio na tsia.
Pati
Legende : Lasa mijorojoro fotsiny tahaka izao ny mpianatra noho ny fitokonana nataon’ireo mpampianatra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT