Fampianarana

LISEA MORARANO IHOSY Raikitra ny fitakiana ny fialan’ny Proviseur


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

tafahoatran’ny Proviseur ao an-toerana raha ny vaovao azo omaly. Saika hankalaza ny faha-42 taonany mantsy ity lisea iray ity ary tapaka fa mandoa vola 30. 000 Ar isanisany ny mpianatra mba hanatanterahana io fety io. Tsy maintsy aloha alohan’ny rahampitso Zoma 26 Aprily anefa izany vola izany ka nanomboka sorena ny mpianatra. Nolavin’ireto farany ankitsirano noho izany io fanerena azy io satria antomotra loatra. Fanampin’izany hoy izy ireo dia efa nisy ny tsipaipaika 1 000 Ar isakiny mpianatra nalaina tamin’ny fidirana saika hividianana "rideau " isaky ny lakilasy saingy indrisy fa nanjavona ilay vola ary tsy hita ny rideau hatramin’ izao. Nirohotra nanakatona sekoly ireo mpianatra omaly vokatr’izany ary nanapa-kevitra izy ireo fa tsy hisy hiverina hianatra intsony raha tsy miala ilay proviseur. Andrasana ny tohin’ny tantara.
Pati
Legende : Niverina nody tahaka izao avokoa ny mpianatra tao amin’ny Lisea Morarano ao Ihosy omaly ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT