Fampianarana

Lisea Moderna Ampefiloha Hiverina hiasa ireo mpampianatra


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2021

Hiverina hampianatra manomboka anio alatsinainy 11 oktobra ireo mpampianatra FRAM eo anivon’ny Lisea Moderna Ampefiloha rehefa nitokona nandritra ny andro maromaro.

 Nisy ny resaka nifanaovan’izy ireo tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany nanambarany ny maharary azy raha araka ny fantatra ka anisan’ireny ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra, ny DREN Analamanga….Nilamina ny resaka nifanaovan’ny roa tonta tamin’ny ankapobeny saingy manantena valiny mahafa-po kosa ireo mpampianatra. Ankoatra ny resaka tambin-karama moa dia manantena feno ny fanajany ny zony araka ny tokony ho izy ireto mpampianatra ireto ka anisan’ireny ny fandraisana azy ireo ho mpampianatra mpiasam-panjakana. Raha tsiahivina moa dia efa nanohitra sy tsy nanaiky ity fitokonan’ny mpampianatra ity ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra tao amin’ny LMA Ampefiloha ary efa nanome 72 ora mihitsy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT