Fampianarana

Lisea maoderina Ampefiloha Hamboly zanakazo miisa 2000


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Atao any Alatsinainy Ambazaha ny 23 febroary 2023 izao ny hetsika fambolen-kazon’ireo nobeazina teo anivon’ny Lisea maoderina Ampefiloha na LMA.

Araka ny fanazavan’ny filohan’ireo maintimolaly teo anivon’ity lisea ity, Giva Ramanitra, dia zanakazo miisa 2000 no ho ambolena eny an-toerana. Fiaraha-miasa amin’ny sampan-draharaha tsy miankina na ONG Graine de vie izy ity, hoy izy. Iantsoana ny fikambanamben’ny lisea , ray aman-drenin’ny mpianatra, ny mpampianatra tranainy na ankehitriny , ny mpianatra tranainy na ankehitriny , ny mpandraharahan’ny lisea sy izay rehetra mahatsiaro ny tenany ho voavolavola tao amin’ny lisea ity rehetra izany. Andiany faha 3 izy ity. Ny voalohany tany Vontovorona. Ny manaraka tany Ambohimifangitra. Ny tanjona dia ny fanamaitsoana ny manodidina ny renivohitra na “périphérie de la ville”, hanadiovana ny rivotra sy mba hisian’ny toeram-pialan-tsasatra any aoriana. Ny andrasana dia mba hanazarana ny tanora hanolo ireo hazo nampiasaina, fampiofanana ara-tekinika ireo vahoaka mpisitraka ho an’ny firoborobon’ilay tetikasa. 3700 moa no isan’ny mpianatry ny lisea fa miisa 1000 eo kosa no andrasana ho tonga eny an-toerana, hoy hatrany i Giva Ramanitra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT