Fampianarana

Lisea Maoderina Ampefiloha Hahazo “bus scolaire” amin’izay


  • Alarobia 20 Janoary 2021

Hahazo bus scolaire amin’izay ny Lisea Maoderina etsy Ampefiloha. Ny mba

 


hahafahana manampy ny mpianatra indrindra ireo lavi-podiana no anton’izany. Tafiditra anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra mampanano sarotra ny fakana taxibe rahateo isika ankehitriny, indrindra fa amin’ny hariva. Efa misy ireo lalana voafaritra hizoran’ny fiara sy handraisana ireo mpianatra ka miainga eny amin’ny sekoly ary mampitohy ireo faritra ivelan’ny renivohitra toa an’i Iavoloha, Itaosy, Ambohimangakely… ny lalana. Tsy hifanerena anefa izany fa manana safidy avokoa ny ray aman-dreny rehetra. Tsy vitsy mantsy ireo nanana olana ny amin’ny vesatry ny saran-dalan’ity bus scolaire ity, ho an’ireo Ray aman-dReny. Mbola hisy moa raha araka ny fantatra ny fivoriana hiarahan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny anio Alarobia hahafahana mandamina sy mamaritra farany izany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT