Fampianarana

Lisea Mahazina Ambatolampy Nahazo efitrano fianarana vaovao


  • Alarobia 24 Mey 2023

Nahazo trano fianarana vaovao ny lisea ao Mahazina Ambatolampy. Omaly Talata 23 may no notokanana tamim-pomba ofisialy izany,

foto-drafitrasa ahitana efitrano miisa roa efa misy latabatra sy seza fianarana ary solaitrabe miloko mainty. Angady nananana sy vy nahitana izany ny orinasa STAR. Misy ozinin’izy ireo mantsy ao amin’ity fokontanin’ i Mahazina ity. Ankoatra izay dia mbola hiezaka hijery ireo maharary ny mponina izy ireo hahafahana mampandroso ny lafiny ara-toekarena sy sosialy ao amin’ity kaominina iray ity. Tonga nanatrika izany ny sekretera jeneraly eo anivon’ny repoblika sy ny talen’ny fampianarana avy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa Star fa mitondra ny anjara birikiny hatrany izy ireo amin’ny fampivoarana ny fiaraha-monina misy azy. Anisan’izany ity toeram-pianarana manara-penitra hianaran’ny mpianatra ao Mahazina Ambatolampy ity, izay manome lanja hatrany ny sehatry ny fanabeazana hahafahana mampihena ny tahan’ireo mpianatra tsy tafiditra an-tsekoly. Mbola hitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny roa tonta manoloana izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Mention Ingénierie Minière
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

eny Vontovorona Tena tratejika ho

  • Grevy eny anivon'ny Lisea teknika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nivaha ny tao Ambositra,

  • Tahina Razafinjoelina
  • Talata 14 Aprily 2026

Hampita ny fampamokarana miainga amin'ny IA

  • “Africa Summit
  • Talata 14 Aprily 2026

Education 2026” Namiratra ny mpampianatra

  • MPIANATRA MAY
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

TRANO TENY ANKATSO

  • Fonenan’ny mpianatra eny Ankatso II
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

Hotohoton’ny afo ny Bloc 51

Hijery ny tohiny
FTT