Fampianarana

Lisea Jules Ferry Faravohitra – 100 taona


  • Alatsinainy 08 Mey 2023

Ilàna fanavaozana avokoa ny fotodrafitrasa

Tontosa ny sabotsy 6 mey teo tetsy amin’ny tokontanin’ny lisea Jules Ferry Faravohitra ny fihaonambe voalohan’ireo maintimolalin’ity lisea miankina amin’ny fanjakana ity ho fanomanana ny fankalazana ny faha 100 taonan’ny lisea izay hanomboka amin’ny volana septambra. Samy nanana ny anjara fitenenany mikasika izany avokoa moa na ny provizora ankehitriny, Rabenary Prisqualine na ny teo alohany, Rakoto Mahefanoro William René. Nitarika ny dinika ny filohan'ny Komity mpikarakara ny fahazato taona sady mpampianatra ao an-toerana ihany, Rabetokotany Tsiory. Tonga nanotrona izao fotoana izao ihany koa ireo heverina fa olomangan’ny lisea toa an’i Rabary Paul, minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha sady maintimolalin’ny lisea sy ny Kaomisera Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys, minisitry ny filaminam-bahoaka, maintimolaly ihany koa. Nomem-boninahitra ireo Raiamandrenibe namaly ny antso tonga nanotrona ny fivoriana ka niavaka indrindra tamin’izy ireo ny Raiamandreny Rabeniazy, 95 taona, niasa sy nitazona ny fanalahidin'ny lisea nandritry ny taona maro. Lisea anisan'ny mendrika indrindra foana ny lisea Jules Ferry hatramin’izay ka hatramizao raha resaka valim-panadinana sy lentam-pahaizan'ny mpianatra, hoy ny fanazavana. Mangataka amin'ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny tokony hanohanana ny lisea hampirisika ireo mpitantana sy mpampianatra hanohy ny ezaka ny lisea. Ilàna fanavaozana avokoa ny fotodrafitrasa. Eo ny "laboratoire de physique", ny "laboratoire de sciences" izay efa tsy misy azo ampiasaina intsony, ny hazo amin'ny lavarangana, ny efitrano fianarana, ny toeram-pivoahana, ireo solaitrabe sy dabilio. Kasaina ny mba ahazoan'ny Lisea " laboratoire de langue" sy efitrano lehibe na " grande salle" hatao eo akaikin'ny «terrain de basket» ho tsangambaton'ny fankalazana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fampianarana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

teknika sy fanofanana arak’asa

  • ANJERY MANONTOLO
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Namoaka mpianatra 195 ny fakiolten’ny EGS

  • MARIKA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

AMIN’NY FITAOVAM-PIANARAN’NY MPIANATRA

  • CEG ALASORA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nahazo dabilio hianarana ny mpianatra

  • Fitia,
  • Alarobia 23 Septambra 2026

13 taona dia afaka Bakalôrea

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Zoma 18 Septambra 2026

"Mifampatoky, miara-miasa dia tafita"

Hijery ny tohiny
FTT